Sport

BAREA: « Hitondra tsiky ho an’ny Malagasy »


Vonona ny handresy an’i Senegaly i Madagasikara rahampitso 09 Septambra 2018. « Tanjona ny hatongavana any amin’ny CAN 2019 atao any Cameroun. Isa 10 na 11 no henjehina amin’ireo lalao dimy hatrehan’i Barea », hoy kapiten’ny ekipa-pirenena Malagasy, Faneva Ima. Tsy vola no hanaovana ny lalao fa fitiavana an’i Madagasikara ka noho izany hitondra tsiky ho an’ny Malagasy ny lalao rahampitso io, hoy hatrany izy. Miray hina tanteraka ny mpilalao na dia samy hafa aza ny fahaiza-manao ireo mpilalao mandrafitra ny Barea ary hilalao amin’ny fomba fahaizany avy izy ireo. Noho izany, vonona ara-batana sy ara-tsaina ireo mpilalao hiatrika ity ekipa-pirenena Senegaly ity.

Ireo mpilalao Malagasy :

Gardiens : Ibrahim Dabo (Gobelins, National 3 France), Leda (Cnaps Sports). Défenseurs : Toavina Rambeloson (Arrass, National 2 France), Thomas Fontaine (Reims France), Pascal Razak (JSSP, R1 Réunion), Jérôme Mombris (Grenoble, Ligue 2 France), Tobisao (Cnaps Sports), Romain Métanire (Reims France), Mario (Fosa Jr), Ando (Cnaps Sports). Milieux : Ibrahim Ahamada (Alger, D1 Algérie), Marco Ilaimaharitra (Royal Charleroi, D1 Belgique), Dax (Fosa Jr), Dimitri Caloin (Les Herbiers, National 2 France), Baggio (Fosa Jr). Attaquants : Faneva Andriatsima (Le Havre, Ligue 2 France), Carolus (sans club), Paulin Voavy (Misr lel-Makassa, D1 Égypte), Njiva (Fc Sukhotai, D1 Thaillande), Boura (Cnaps Sports), William Gros (As Vitré, National 2 France).

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *