Socio-eco

BAR SY KARAOKE: Mitarika tsy fandriam-pahalemana


Betsaka ny famakian-trano sy ny asan-jiolahy amin’ny toerana misy « bar » na toeram-pivarotana zava-pisotro mahamamo  sy fanaovana karaoke izay tara ny fikatonan’izy ireny, araka ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana. Nambaran’ny prefet de police an’Antananarivo Renivohitra, Jeneraly Ravelonarivo ihany koa fa anisany mitarika tsy fandriam-pahalemana ny fahataran’ny fihidin’ireny bar sy toerana fanaovana karaoke ireny satria ao ireo jiolahy no manal’azy alohan’ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Tao anatin’ny fivorian’ny OMC (Organe Mixte de Conception) no nandraisana fepetra fa tsy maintsy mihidy amin’ny 9 ora alina ireo bar sy fanaovana karaoke eto Antananarivo Renivohitra. Mbola hivory miaraka amin’ny 192 fokontany ny OMC amin’ny Alakamisy 28 febroary 2019 ka amin’io fotoana io no hamaritana ny daty tena hampiharana izany. Ho raisina mandritra ny fivoriana ihany koa ny ny lisitr’ireo bar sy fanaovana karaoke izay ho entin’ny  lehiben’ny fokontany tsirairay avy.

Hisy ny fisavàna ka ho an’ireo manana taratasy fahazoan-dàlana kanefa mbola mivoha aorian’ny amin’ny 9 ora alina dia ho sintonina ny taratasiny. Raha ny tokony ho izy dia hatramin’ny 9 ora alina ny ao anaty  taratasy fahazoan-dàlana, hoy ny Prefet.  Ho hakatona avy hatrany kosa ireo tsy manana taratasy ara-dalàna sendra ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana.

Bokim-bahiny

Noresahana nandritra ny fivorian’ny OMC  ny fampiasàna ny bokim-bahiny. Manomboka izao dia tsy maintsy mampilaza any amin’ny fokontany ireo fianakaviana mandray vahiny. Ho raketina ao anatin’ny bokim-bahiny ny mombamomba ilay olona mba ho fantatra mazava ireo mifamezivezy ao anatin’ny fokontany iray. Ankoatra izany, betsaka ny mahafantatra ireo mpanao ratsy ao amin’ny tanàna misy azy saingy tsy sahy milaza izany. Hisy ny laharan’antso ahafahana manome loharanom-baovao saingy hijanona ho tsiambaratelo ilay tsara sitrapo. Ao anatin’ny fepetra iadiana amin’ny  tsy fandriam-pahalemana avokoa izany rehetra izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *