Sport

Baolina kitra malagasy: Mitaky fanorenana ifotony ny K2HB


Tao aorian’ny nahalany an’i Ahmad ho filohan’ny  “Confédération Africaine de Football ) CAF, dia mahatsapa ny Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina kitra Malagasy  ( K2HB ) fa betsaka ny olana sedrain’ny baolina kitra eto Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo fifidianana isan’ambaratongany, toy ny seksiona, ny ligim-paritra, ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF).

“Mibaribary ankehitriny ny fanavakavahana sy fanilikiliana samy tomponandraikitra ary ny kitranoatrano miteraka fisaraham-bazana ho an’ny kitra malagasy sy ny mpitia izany”, hoy ny filohan’ny K2HB, Randrianirina Ignace. Miangavy ny federasiona ankehitriny ihany koa izy ireo hanohy ny asany hatramin’ny 2020 hampandeha ny raharaha andavan’andro.

Hanomana sy hanovana rafitra vaovao hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny ho amin’ny fanorenana ifotony.  Tsy hivoana amin’ny rafitra federaly sy lalana iraisam-pirenena izany. Tsy ara-dalana ny fifidianana natao afa tsy ny ligim-paritra telo ihany. Manao antso avo amin’ny rehetra noho izany izy ireo ny hanemorana ny fifidianana  filohan’ny FMF mba hikatsahana vahaolana maharitra ho an’ny baolina kitra Malagasy hiverenana amin’ny rafitra ara-dalana ( Cycle olympique ) amin’ny taona 2020.

Miantso ny fandraisana anjara ny fanjakana fanaovana lalana mampandroso ny fanjanahan-tena rehetra ny K2HB. Ny fanjakana izay amin’ny alalan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny FMF ary ireo fikambanana samihafa no mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany, hoy hatrany ity filohan’ny K2HB ity.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *