Socio-eco

BANKIM-BAROTRA : Halatra ekena


Mamelona banky vahiny isika Malagasy. Bankim-barotra no misy eto ary rah any fijerin’ny maro azy dia tsy manam-bola firy izy ireny fa mampiasa ny volan’ny tsirairay fotsiny. Ahodin’izy ireo noho izany izay vola apetraky ny mpanjifa ka ampindraminy etsy sy eroa. “Tsy misy tsy mahalala fa halatra ekena ireo bankim-barotra misy eto Madagasikara ireo izay vahiny no mahazo tombontsoa aminy” raha ny nambaran’ny mpahay toe-karena, Ralison Roger. Noho izany, ilain’ny firenena ny fananana banky famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana ahafahan’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mindram-bola. 2 na 3 isanjato ihany ny zana-bola alaina amin’io banky Malagasy io raha toa ka 17 % ny an’ny bankim-barotra. Herintaona vao manomboka mamerina ny vola ny mpindrana. Io banky io ihany no ahafahan’ny mpandraharaha mampiakatra ny toe-karena Malagasy. Manana ny banky famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana ohatra ry zareo Alemana, ny Frantsay ka nahoana no tsy ataontsika izany ? Ankoatra izay, ireo bankim-barotra ireo ihany koa no mandray ireo vola vahiny tonga eto Madagasikara izay tsy mankany amin’ny Banky Foibe loatra. Mananosarotra noho izany ny fifehezana sy fanaraha-maso ny fidiran’ny vola vahiny. Misy sampandraharaha manokana mihitsy ao amin’izy ireo miandraikitra ny fifandraisana amin’ireo vola vahiny avy any ivelany. Anjarantsika kosa anefa ny mametraka aro-fanina mba tsy hisy ny fihoaram-pefy.

Vola baoritra

Maha lasa saina ny tsy fanomezan’ny banky foiben’i Madagasikara ny fe-potoana farany ampiasaina ireo vola teo aloha. “Miteraka fidanganan’ny vidim-piainana mahatsiravina ny fiarahan’ireo vola vaovao sy taloha ireo”, hoy Ralison Roger. “Planches à billet” mihitsy no azo amaritana izany.

Foanana ny MID

Efa tafakatra 4000 Ariary ny sandan’ny “Euro” iray ankehitriny. Didim-panjakana nataon’ny praiministra Francisque Ravony no nahatonga an’io “Marché Interbancaire de devises” ( MID ) io. Didim-panjakana ihany koa ny manafoana azy. Sao kosa fotoana izao hanafoanana azy ity ka hanaovana sandam-bola tsy miova (taux d’échange fixe) ? Efa nivoy an’io ny Filohan’ny Fikamban’ny “Fahefa-mividy no ilain’ny Malagasy” ( FMI), Jean Jacques Ratsietison.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *