Socio-eco

BABY SHOPPING: Sady miantsena no mahazo toro-lalana momba ny zaza


Mikarakara tsenabe ho an’ny ray aman-dreny sy ny zaza ny Prima Baby isaky ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy. Ho tanterahana ny  zoma 31 mey sy ny sabotsy 1 jona 2019 eny amin’ny Skate Park Antanimena manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny andiany faha-7 ny Baby Shopping. Natao hanampiana ny reny bevohoka, ny ray aman-dreny amin’ny fividianana ny kojakoja ilaina ho an’ny zaza sy ny ankizy toy ny fitafiana, kilalao sy ny maro hafa ny Baby Shopping. Amin’ny vidiny mirary avokoa izany. Tsy vitan’ny fiantsenana ihany no atao mandritra ny Baby Shopping fa mbola hanome toro-lalana ireo mpitsidika ihany koa ireo matihanina momba ny zaza sy ny ankizy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Prima Baby, Rajaonah Haingo. Hanoro-hevitra ny ray aman-dreny momba ny fitaizana ny zaza izy ireo ao anatin’ny roa andro. Tsy misy ny vidim-pidirana mandritra ny hetsika ary afaka milalao ao amin’ny toeram-pilalaovana an’ny Skate Park ireo ankizy ho entin’ny ray aman-dreny. Afaka maka sary miaraka amin’ny “mascotte” ihany koa izy ireo.

Mampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny lalao “tombola” hahazoana loka marobe avy amin’ireo mpanohana  ny hetsika sy ny mpivarotra mandray anjara: Sweet kids, Occaz de Mark Tanà, Koja Kids Tana, Class’M Bébé, Kilonga Mihasoa, TS Création …  Santionany amin’ireo loka homena ho an’izany tsara vintana ny « mixeur » natao hikarakarana sakafo ho an’ny zazakely , kilalao, fitafiana, boky… Nambaran’ny mpikarakara fa ho amidy amin’ireo fotoana ireo ny  guide PrimaBaby.  2000 Ariary ny vidiny ka ny 20 % ny vola amin’ireo « guide » lafo  dia entina hanampiana ireo sahirana hiditra an-tsekoly. Hanao hetsika fitadiavam-bola eny an-toerana ny fikambanana « Clair de Lune Madagascar » hanatevenana ny ho enti-manana amin’ny tetikasany  « kits scolaires » andiany fahatelo izay hividianana fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana, hiatrehan’izy ireo ny taom-pianarana 2019 – 2020.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *