Socio-eco

BABY SHOPPING: Manomboka amin’ny 1000 Ariary ny kojakoja ho an’ny zazakely


Kojakoja ho an’ny zazakely sy ny ankizy amin’ny vidiny mirary sy tsara kalitao no amidy mandritra ny Baby Shopping. Manomboka amin’ny 1000 Ariary izany. Nisokatra androany 31 mey 2019 ary hifarana rahampitso 1 jona 2019 2019, eny amin’ny Skate Park Antanimena ity hetsika karakarain’ny PrimaBaby ity. Manome tolotra manokana ho an’ny ray aman-dreny mitsidika ny trano hevany ireo mpandray anjara. Ho an’ny Sweet Kids, mpanohana ny Baby Shopping dia tsy mitovy amin’ny andavanandro ny vidin’entana amidiny eny Skate Park Antanimena. Entana momba ny zaza vao teraka ka hatramin’ny faha-12 volana no azo jifaina ao amin’ny Sweet Kids. “Nafarana avy any Danemark ary manaraka ny fenitry ny tsena Eraopeanina ireo entana amidinay ary manomboka amin’ny 7000 Ariary ka hatramin’ny 20.000 Ariary”, hoy ny tompon’ny Sweet Kids. Nomarihan’ny mpikarakara, Rajaonah Haingo fa amin’izao andro mangatsiaka izao dia betsaka ireo akanjo mafana ho an’ny zazakely sy ny ankizy mandritra ny BabyShopping. Ankoatra ny akanjo dia ahitana kilalao, boky ho an’ny zaza sy ny maro hafa eny an-toerana. Tsy adino ihany koa fa hanome toro-lalana maimaim-poana ho an’ny mpitsidika ireo matihanina momba ny zaza sy ny ankizy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *