Socio-eco

ASSURANCE MAMA: Andian’olona manaparitaka vaovao, anisan’ireo nampibaby trosa


Fantatra ny ambadik’ireo andian’olona. Manoloana ny vaovao miely amin’ny haino aman-jery fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ao amin’ny  tranom-piantohana MAMA dia namory mpanao gazety ny teo anivon’ny filankevi-pitantanana, ny solontenan’ny mpiasa miara-mitantana ary ny delegen’ny mpiasa, ny 09 desambra 2019 teny amin’ny foibeny teny Isotry. Anisany mitaky ny hamerenana ny fitantanana amin’ny mpitatitra ireto andian’olona ireto. “Tsy manaiky izany izahay satria tetehina ho potehina indray ny tranom-piantohana”, hoy ny tale mikarakara ireo niharam-boina anivon’ny MAMA, Rakotoarijaona Julien. Nambarany fa  ao anatin’ireo andian’olona ireo ny “zanaka lahin’ny PCA teo aloha, anisany namotika, nampibaby trosa ny MAMA sy ny anabavin’ny tale teo aloha (…) Fitaovana ihany ireo andian’olona ireo, misy ambadika dia olona tamin’ny fitondrana teo aloha, te ho tale jeneralin’ny MAMA”.

Momba ireo mpiasa voaraoka indray dia nilaza Rakotoarijaona Julien fa vokatry ny fanodikodinam-bola sy fandikan-dalàna no antony nandroahana azy ireo. “Hananay porofo avokoa izany rehetra”, hoy izy.
Lavin’ireto tomponandraikitry ny MAMA ireto   ny filazana fa  tsy mandoa onitra ny  tranom-piantohana. Araka ny fanazavan’ny tale mikarakara ireo niharam-boina hatrany fa vola mitentina  enina ka hatramin’ny fito miliara Ariary  isan-taona ny vola atokana, handoavana onitra. Dosie 2000 isan-taona no andoavana vola ka ny 1500 amin’ireo dosie momba ny fanonerana ara-pitaovana. Ady hifanolanana eny amin’ny fitsarana kosa ny 500 ambiny.
Nohamafisin’ireto tomponandraikitry ny tranom-piantohana ireto fa mbola velona ny MAMA matoa mitombo isan-taona ny mpikambana,  efatra isan-taona ny masoivoho misokatra. Fantatra fa 29.000 ny isan’ny mpikambana ao amin’ny MAMA amin’izao fotoana izao, 72 ny masoivoho, 293.000 ny fiara iantohana ary dimy miliara Ariary isan-taona ny vola ampidirin’i MAMA ao anaty kitapom-bolam-panjakana. Nanomboka 2015, tsy nanana trosa intsony ity tranom-piantohana ity raha toa ka 35 miliara Ariary ny trosa nobabeny talohan’izay.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *