Non classé

ASSOCIATION DEVOIR ET CITOYEN « Tsy mampandroso firenena ny orinasa afaka haba »


Mitaona ny olona ho tomponandraikitra ny « Association devoir et Citoyen » ADC. Tsy hiandry ny fitondram-panjakana na ny mpanao politika vao afaka mandray andraikitra ny olom-pirenena tsirairay avy. Tarigetran’ny fikambanana,  « Ny olom-pirenena mandray andraikitra no mandan’ny fampandrosoana ». Nanatanteraka ady hevitra narahina fanontaniana goavana tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny fikambanana. Nanasana mpandraharaha efatra, i Falihery Ramakavelo, Jean Claude Ratsimivony, Harijaona Randriarimalala ary Narindra solon-tenan’i Eric Rajaonary  izay nizara ireo traikefany. « Ny fitarihan-dalana ireo tanora ho tonga any amin’ny fahombiazana no tsy ampy ». Vitsy ny indostria eto Madagasikara izay miteraka asa ho an’ny vahoaka. Bizina ny an-kamaroan’ny asa ataon’ny tanora izay tsy mandoa hetra ka miteraka fahavoazana ara-toekarena.  « Manafy aho fa tsy mampandroso firenena ny orinasa afaka haba fa ny fananganana indostria toy ny orinasa Ambatovia, ny QMM ihany no vahaolana hampandroso firenena», hoy ny filohan’ny ADC, Herizo Ramanambola.

Hivelatra amin’ny faritra hafa

Maro ireo tanora liana amin’ity ady hevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha ireo ity. Noho izany, tsy hijanona eto Antananarivo fotsiny ihany ny hetsika fa hitondra izany any amin’ny faritra hafa ny ADC. Hanasa mpandraharaha hafa indray amin’izany.

 Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *