Socio-eco

Association ANKIZY: « Ny asa fanasoavana tsy ijerena loko sy antoko »


Ifanampiana ny fiainana ary tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho amin’ny fandinganana ireo fampizarazarana sy fitsitokotokoana.

ANKIZY (ANkohonana Kristianina Itsinjovana ny Zaza Ivoatra) sy ny LIFE ONG izay musulmans no betsaka amin’ireo mpikambana sy ny mpamatsy vola dia nanao asa Fizarana fanampiana ara-tsakafo in-telo teto Madagasikara.

Ny voalohany sy ny faharoa dia tany Toamasina hiatrehan’ireo « Silamo sahirana » ny volana Ramadany:  » Opération Ramadan 2020 – 1 €-1 repas ». Tamin’ny faran’ny volana aprily dia 830 fianakaviana no novatsiana fanampiana ara-tsakafo ampy azy ireo mandritra ny iray volana.  Tamin’ny 9, 10, 11 Mey kosa dia fianakaviana miisa 1000 sahirana avy amin’ny antokom-pivahana samihafa (Kristianina sy Silamo) no novatsiana fanampiana ara-tsakafo ampy azy ireo mandritra tapa-bolana.

Teto Antananarivo kosa ny fizaràna fahatelo nataon’ny association ANKIZY, noho ny fahitana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana izay miankina amin’ny Renivohitra ny asa fitadiavana. « Aide alimentaire d’urgence – 1 €- 1 repas » toy ny natao tany Toamasinaihany izany.

Natao tany amin’ny fokontany Ambohibato Ambohimanambola ny fizaràna (fahatelo) ho an’Antananarivo, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nambarany fa : « Ny tena tianay association ANKIZY sy LIFE ONG aseho sy hijoroana dia ny fanaovana asa fanasoavana dia tsy mila ijerena loko na antoko (fivavahana, politika, volon-koditra…) ary raha tsy misy ny kolikoly ary afaka manome ny sahaza fa tsy vonji-tavan’andro fotsiny na anaovana fampisehoana sy ahazoana laza sy dera.

Ireto misy sary vitsivitsy maneho ny fizarana, ny santionan’ireo fiainan’ireo olona nomena fanampiana…

Nanangona : Ony R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *