Sport

ASIEF: Noroahina avy hatrany ireo tsy mpiasam-panjakana


Ministera valo nampiasa olona nirahina (mercenaire) tamin’ny lalao fifaninanana ara-panatanjahantena nokarakarain’ny Association Sportive pour l’entretien des fonctionnaires (ASIEF).  Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Jean Aimé Andrianarison fa noroahina avy hatrany ireo tsy mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ny lalao ara-panatanjahantena niarahan’ireo mpiasam-panjakana eny anivon’ny ministera. Tsy afaka nandray anjara tamin’ny dingana famaranana ireo ministera nampiasa « mercenaire » ireo. Fanambin’ ny ASIEF rahateo ny miady amin’ny gaboraraka sy fanafoanana ny « mercenaire » sy tsy mpiasam- panjakana.

Tao an-tampon-tanàn’i Toamasina no nanatanterahana ny lalao ara-panatanjahantena nifanaovan’ireo mpiasam-panjakana andiany voalohany izay nokarakarain’ny ASIEF. Vao dimy volana monja ny fijoroan’ny fikambanana kanefa tsy arakaraky ny eritreretin’ny mpikarakara ny fahavitrihan’ireo mpiasam-panjakana. Raha 8000 no nantenaina dia tafakatra 10.000 ny mpandray anjara. Tsy toy isan-taona ihany fa vita avokoa ny dingana famaranana na teo amin’ny taranja iraisana na taranja ho an’olon-tokana satria tsy nisy ny ady. Ny sabotsy 6 oktobra 2018 lasa teo ny dingana famaranana tamin’ireo taranja iraisana ary nozaraina tamin’io andro io ihany ny loka ho an’ireo mpandresy tamin’ireo taranja ara-panatanjahantena iraisana sy ho an’olon-tokana miisa 13.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *