Sport

ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity


Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 6 aprily 2019 teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny taom-pilalaovana 2019 ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Natambatra tamin’io fotoana io ihany koa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena miasa ho an’ny fandriam-pahalemana. Isan-taona dia misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana eny anivon’ny minisitera, ny andrim-panjakana isan-tsokajiny izay mivondrona ao amin’ny fikambanana ASIEF. Nitombo enina ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana ity. 19 ny fitambaran’ny ireo taranja ho an’ny olo-tokana sy iraisana raha ny tarehimarika voaray.

 “Hisy taranja vaovao hosokafana manomboka amin’ity taona ity dia ny mouvement gymnique d’entretien, fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana efa tsy nanao fanatanjahantena intsony”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera ny tanora sy ny fanatanjahantena. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny akademiam-pirenena ny fanatanjahantena sy ny ASIEF dia nivoaka ny andiany voalohany  amin’ireo“animateur santé sport” hampiofana io taranja io. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ministera fa taranja tsy maintsy atao isaky ny ministera izy ity ho fitaizam-batana ho an’ny mpiasam-panjakana sy hisorohana ireo aretina maro mahatonga fahafatesana aloha loatra. Ao anatin’ny tanjony ny ASIEF rahateo izany. Noho izany, anisany taranja ho hita mandritra ny fifaninanana nasionaly ny ASIEF atao any Diego amin’ny volana oktobra ity taranja vaovao ity. Ankoatra izany dia taranja vaovao ihany koa ny belote, jeu d’echec, fanorona, ny hazakazaka amin’ny bisikileta, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ASIEF, Andrianarison Jean Aimé na John Love. Raha ny fantatra dia ny 13 aprily 2019 ho avy izao ny fifanintsanana amin’ny taranja tsipy kanetibe.

Manao antso  fitondram-panjakana ny filohan’ny ASIEF mba hampitombo ny tetibola natokana ho fikambanana. “Raha ny fantatro dia 60 tapitrisa  Ariary ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana. Nihena izany tamin’ny taona lasa. Mangataka mba ho ampiana izany satria mitombo ny mpiasam-panjakana mandray anjara”. Marihina fa 12.000 mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ny fifanintsanana nasionaly natao tany Toamasina tamin’ny taona lasa.

Lynda A.


One comment on “ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity

  1. Pingback: ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *