Socio-eco

ASAN-DAHALO: “ Ao anatin’ny herinandro misy mpitandro filaminana midoboka am-ponja”


Tanjona amin’ity taona 2018 ity ny fandriam-pahalemana ifotony mipaka amin’ny vahoaka. Nisafidy ny hihaona amin’ny mpanao gazety isaky ny telo volana ny eo anivon’ny sekreteriam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mba hampahafantatra amin’ny vahoaka ny asa vitan’ity ratsa-mangaika mitandro ny fandriampahalemana ity. Tao anatin’ny 100 andro nandraisan’ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe ny sekreteriam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, nisy ny fanadiovana ny tao anatiny mba hamongorana ny fahalovana eo anivon’ny sekreteriam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny famerenana ny asa mahazatra ary ny famerenena ny fahatokisan’ny vahoaka.

Tao anatin’izany telo volana izay dia fidinana ifotony miisa 1029 no vita. Tamin’alalan’izany no nanarahana maso ireo zandary miparitaka any ambanivohitra amin’ny fanatanterahana ny baiko. Nosaziana avokoa ireo zandary rehetra nanao tandrevaka sy nandika lalàna. Raha ny tombana navoakan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), jeneraly Randriamanarina Jean Christophe nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fitarainana, ny 28 septambra 2018 dia fitarainana 202 no voaray ka ny 165 tamin’ireo no nanaovana fanadihadiana. Vokany, zandary 10 no notanana am-ponja vonjimaika ary fito nomena fahafahana vonjimaika. Zandary 153 ihany koa no niharan’ny sazy. “Tsy araka ny filazan’ny maro fa mifampiaro amin’ny ratsy ny zandary fa mifanohitra amin’izany no mitranga satria tsy maintsy saziana izay manao tandrevaka”, hoy SEG. Nambarany fa ao anatin’ny herinandro misy manam-boninahitra telo, manamboninahitra lefitra midoboka am-ponja. Ankoatra izany, manome mari-pankasitrahana ho an’ireo miaramila nahavita ny asany tsara ihany koa ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Tao anatin’izay 100 andro izay dia taratasy marim-pankasitrahana 116 no nozaraina. Ao anatin’ny fanadiovana ny ao anatin’ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ihany koa ny fihainoana ny olana lazain’ireo fokonolona, ny ben’ny tanana, ny filoham-pokontany ny amin’ny fiarahamiasan’izy ireo amin’ny mpitandro filaminana.

Mba hampahomby ny fitandroana ny filaminana, ezaka nataon’ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny famerenana ny asa mahazatra ka anisan’izany ny fidinan’ny mpitandro filaminana matetika eny ifotony. Fisafoana miisa 4.434 izay no vita. Ho famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka dia nohatsaraina ny fomba fiasa. Eo ihany koa ny fiarovana ny tsara sitra-po mpanome loharanom-baovao. “Tsy ampidirina ho vavolombelona izy fa anjaran’ny zandary no manao ny fanadihadiana momba ny vaovao nomeny”, araka ny fanazavan’ny jeneraly Randriamanarina Jean Christophe. Nohamafisina ihany koa ny fiarahamiasan’ny zandary sy ny tomponandraiki-panjakana, ny fokonolona amin’ny fanenjehana ny dahalo. Raha atao bango tokana, nisy ny vokatra azo tsapain-tanana tao anatin’izay telo volana nandraisan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny andraikiny  ary mbola mitohy hatrany asa ho fampandriana fahalemana ny tany.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *