Evenement

« Ary ny volana ho ra » : Niserana akaikin’ny tany Ra-volana


 

“DIa hivoaramena ny volana…” (Isaia 24, 23a), “ary ny volana ho rà…” (Joela 3, 4b)! Niaina izany ara-bakiteny tokoa izao tontolo izao ny alin’ny alatsinainy 14 novambira 2016.

Raha vao niposaka mantsy ny volana tamy ny 6 ora sy sasany hariva, dia tsy tahaka ny habeny sy lokony fahita isam-bolana (isaky ny 28 andro) ny bika aman’endriny, fa toa nitombo habe, ary nodorehitra tahaka ny tamenak’atody. Araka ny asa karoka sy traikefan-dRazanakolombelona dia miverina isaky ny 70 taona io tranga maningana eo amy ny fihodinkodin’ny planeta rehetra manodidina an’ingahibe masoandro io. Tafiditra anatin’izany ny volana izay zanakambilon’ny tany (satelita). Ny fahita sy fandre mahazatra dia ny takomasoandro sy ny takombolana (eclipse solaire/lunaire). Fa izay nitranga ny alatsinainy alina kosa dia ny fandalovan’ny volana akaiky indrindra ny tany amy soridalana falehany (orbite). Mifanipaka amy masoandro izy amin’io fa ny tany kosa eo afovoany kanefa tsy manakona azy. Io no antsoin’ny mpikaroky ny tsitakamaso hoe “syzygie” izay midika hoe fihaonana na fifanipahan’ny volana sy masoandro. Tany amy faramparan’ny taona 40 no nitranga farany io “syzygie” io, ary dia afaka 70 taona indray no fotoana manaraka ka ny aina no matezà ho an’izay tsy nahita.

“Indro, ny volana aza tsy mangarangarana…” (Joba 25, 5) ! Miresaka ny tranga maningana amin’izao tontolo izao sy izao rehetra izao tokoa ny Soratra Masina, saingy ny fanazavana ara-tsiansa sy porofo rehetra no taty aoriana vao hitan-dRaolombelona miandalana. « Ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa » (Jao. 20, 27d).

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *