politique

ARLETTE RAMAROSON : Horavana ny rafitry ny fanjanahan-tany


57 taona taorian’ny niverenan’ny fahaleovan-tena, tsy mbola nisy fampandrosoana teto Madagasikara. “Fanarenana no atao mialoha izay vao fampandrosoana”. Tsy mety amintsika Malagasy intsony ny rafitra nolovana tamin’ny mpanjana-tany. Mitaky lalam-panorenana vaovao izany ka tetik’asa soa iombonana miainga any amin’ny fokontany sy ny fifandanjan’ny faritra mizaka tena no atao, hoy Arlette Ramaroson, filohan’ny « Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny Fanarenana an’i Madagasikara »,  kandidà ho filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity. Atao ny fanenana ny fandaniam-bolam-panjakana toy fanafoanana ny antenimierandoholona, 12 ny minisitra…Ireo teti-bola natokana ho an’ny andrim-panjakana ankehitriny ho foanana, alefa any amin’ny sosialim-bahoaka. Ho foanana ny gaboraraka eo amin’ny harem-pirenena. Mba anatanterahana ireo sy ny vina novolavolain’ireo teknisianina miaraka aminy, tsy maintsy ovana ny lalam-panorenana. Ravana ny faritany enina ka atao faritra mizaka tena “Région autonome” na ara-paritra izany na ara-bola.
Iraha-mahalala fa vahiny avokoa ny banky misy eto Madagasikara. Noho izany, atsangana ny “Banque publique d’investissement” ho an’ny Malagasy mba ahazoana mandray anjara amin’ireo sehatr’asa stratejika sy ireo indostria miantoka ny ho avy. Io banky io ihany koa no androtsahana ny volan’ny mpamatsy vola. Hisandrahaka eran’izao tontolo izao io bankim-bahoaka ho an’ny famatsiam-bola io.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *