Socio-eco

ARKEUP ACADEMY: Mampiroborobo haingana ny orinasa ny «intelligence artificielle »


Manampy amin’ny fiainana andavanandro ary mitovy amin’ny atidohan’ny olombelona ny «intelligence artificielle » indrindra amin’ny lafiny asa ara-stratejika. Manomboka rahampitso 24 oktobra 2019 dia hampiofana olona vitsivitsy sy notsongaina izay nisoratra anarana momba fampiasana azy ity ireo manam-pahaizana avy ivelany sy ny eto an-toerana. Efa nisy ny fizarana traikefa nataon’izy ireo androany 23 oktobra 2019 teny amin’ny Etech Anosisivavaka Ambohimanarina ho fanombohana ny fotoam-pikatrohan’ny ivon-toeram-pampiofanana ArkeUp Academy 2019-2020. « Tanjon’ny atrikasa ny fampivondronana ireo manam-pahaizana momba ny intelligence artificielle avy any ivelany sy eto an-toerana miaraka amin’ireo tompona orinasa sy ireo manana toerana ambony any amin’ny ministera, ny fizarana ny fomba mety hampiasana azy eny anivon’ny orinasa », hoy ny talen’ny ivon-toeram-pampiofanana ArkeUp Academy Océan Indien, Rakotondrahaja Clarel.

Araka ny fanazavany dia solosaina miezaka hisaina hoatran’ny olombelona, mianatra amin’ny olombelona dia mahay mamakafaka, mandinika ary mandray fanapahan-kevitra raha ilaina ny « intelligence artificielle ». Afaka manampy ny olona amin’ny sehatra maro ao anatin’ny orinasa ihany koa.  Anisany nifampizarana nandritra ny atrikasa ohatra ny olona mitady fanampim-panazavana amin’ny orinasa mivarotra entana. “Raha aman-jatony no indray miantso dia tsy ho araky ny orinasa izany fa rehefa ampiasaina ny intelligence artificielle dia tsy mila olona intsony mamaly, fa efa machine no mamaly anao. Manampy betsaka ny mpamokatra ihany koa izy ity satria mamantatra ny vokatra ho vokarina manaraka ny vanim-potoana”. Noho izany, afaka mikaroka ny zavatra efa lasa, mandinika ny ho avy intelligence artificielle.

Azo ampisaina tsara eny amin’ny orinasa izy ity saingy ny tsy fahafantarana no sakana hoy Rakotondrahaja Clarel. Ao anatin’ny fampahafantarana azy indrindra ny ArkeUp nanomboka tamin’ny herintaona.  Izany indrindra no antom-pisian’ny ivon-toeram-pampiofanana mba hampiofanana ny mpiasa amin’ny orinasa hahay hampiasa azy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *