Socio-eco

ARETINA AVY AMIN’NY SAKAFO: Fitsirihana maimaim-poana mandritra ny roa andro.


Manana fotoana ahafahana mizaha  ny fahasalamany  momba ny aretina azo avy amin’ny sakafo ny mpitsidika ny hetsika  natokana  ho an’ny androm- pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Ny zoma 17 sy ny sabotsy 18 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina   no hanaovana izany miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka  aminy.

Ankoatra ny fitiliana tsy andoavam-bola ny diabeta, ny fiakaran’ny tosi-dra, ny hatavezana, hampahafantatra ny fenitra tokony arahina mba hisitrahana sakafo ara-pahasalamana  amin’ny mpitsidika ireo mpandray anjara. “Tanjon’ny hetsika ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ny lalana, ny fitsipika, ny fomba amam-panao eo amin’ny famokarana, ny fitaterana, ny fitehirizana, ny famarotana ary ny famatsiana ny sakafo”, hoy ny  Tale misahana ny  fitsirihana  ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA.

Noho izany, ho hita eny an-toerana ireo  karazan-tsakafo mifanaraka amin’izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *