Actus

Antsa tononkalo Laika II : Tanterahina ny 5 jona 2019


Toy ny mahazatra dia ho avy ny hetsika manaraka antsa tononkalo nampitondraina ny anarana  »Laika II » izay ho tanterahana ny 05 jona 2019 amin’ny 2 ora etsy amin’ny  »Ivokolo Analakely  » CEMDLAC.

Ho tsara noho ny andiany voalohany ny tranga sy ny seho satria nandray tsikera ho fanatsarana i Di’art Tsifoina ary nasiany fanavaozana ny lafiny rehetra. Hiavaka kokoa izy satria ankoatra ny sehatra sy ny zava-baovao ho entina dia hanome tsiro, ny mpankafy azy no tanjona amin’io ; tsy mahasakana ny tsy mpankafy tsy ho avy koa anefa izany , »miavia ». Amin’ny maha  »Laika  » azy dia noferana ho indray mandeha isan-taona ihany no miseho sehatra. “ Tsy mora ny manao zavatra indrindra fa zavatra tsara », hoy izy. Rah any resaka famoahana boky indray dia an-dalam-panokonana ny tenany ka rehefa masaka izany dia aroso.

Ralantôpix


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *