politique

ANTOKO UNDD: Hanomana ny eny ifotony


Feno 30 taona katroka ny antoko politika UNDD (Union nationale pour le développement et la démocratie). Manantanteraka filankevi-pirenena eny amin’ny Andavamamba ny antoko nanomboka androany ka hatramin’ny rahampitso 31 oktobra 2019. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Rakotovahiny Emmanuel fa hitsapana fa mbola misy ny UNDD eran’i Madagasikara no anton’ny filankevi-pirenena. Ho an’ny andro voalohany dia nahatonga solontena avokoa ireo faritany enina. Manaraka izany, zava-kendren’ny fivoriana ny fanombanana ny asa vita tao anatin’izay 30 taona izay, ny fandrafetana ny asa ho tanterahina amin’ny ho avy ary ny fampahafantarana ny tanora ny lalana nodiavin’ny antoko, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneraly Manoro Regis.

Nohamafisin’ny filoha nasionaly fa zavatra telo no andrasan’ny UNDD amin’ny mpikambana sy ny vahoaka malagasy dia ny fahavitan’ny adidy, ny fampiharana ny zo  ary ny fanajàna ny fitsipika. Manana anjara andraikitra hananatra ihany koa ity antoko noforon’i Profesora Zafy Albert, Rakotovahiny Emmanuel ary Manoro Regis ity. “Aoka hanaja tena isika fa zava-doza ny fitiavam-bola. Raha tsy V8 ve tsy miaina kanefa  ny zavatra rehetra ataoko toa vitako amin’ny fampiasaina moto”, hoy Rakotovahiny Emmanuel. Nilaza izy fa ny fampandrosoana ny firenena dia tsy maintsy malagasy tsirairay no mandray andraikitra. Fehiny, ho fanomanana ny eny ifotony ity filankevi-pirenena ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *