politique

Antoko Repoblikanina: Manana kandida tohanana


Maniry toy ny anana ny antoko eto Madagasikara. Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Antoko Repoblikanina. Mpikambana tao amin’ny antoko Leader Fanilo nametra-pialana ireo mpanorina azy. « Leo ny disadisa sy ady misy eo amin’ny mpitarika roa samihafa ny antoko Leader Fanilo izahay. Tsy afaka mamita ny andraikiny ny antoko io satria hatramin’izao mbola mandeha eny amin’ny fitsarana ny raharaha », hoy ny filohan’ny Antoko Repoblikanina, Hasina Raveloson. Iaraha-mahalala fa miatrika ny raharaham-pirenena ny antoko ka noho izany mamorona antoko vaovao no vahaolana hitan’izy ireo. Nilaza ihany koa izy ireo fa efa manana kandida tohanana amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity. Ho ampahafantarina mialoha ny fiandohan’ny fampielezan-kevitra izany kandida izany. Vonona ny antoko hiatrika ny fifidianana ho avy rehetra, toy ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny taona 2019. Hifantoka amin’ny ara-ekonomika sy sosialy ny antoko. Mipetraka ampovoany kosa ny antoko Repoblikanina ary mitsinjo ny tombotsoan’ny Malagasy. Marihana fa nampahafantarina tetsy Antaninarenina ny Alarobia 03 Oktobra 2018 ity antoko vaovao ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *