politique

ANTOKO REPOBLIKANINA: Hanohana an’i Andry Rajoelina


Samy manana ny safidiny sy tohanany ireo antoko politika indrindra ireo nitsangana tsy ela akory izay. Anisan’izany ny antoko repoblikanina izay vao telo andro izay no nampahafantarina azy. Tamin’ireo kandida 36 hifaninana ireo, ny kandida Andry Rajoelina no nosafidian’izy ireo ho tohana amin’ity fifidianana ho filoham-pirenena ity. Ny Zoma 05 Oktobra 2018 lasa teo tetsy Antanimena nanambaran’ny antoko an’izany. Noho ny zava-misy ankehitriny, mahatsapa izy ireo fa io kandida io no mendrika hanarina ny firenena. Tsy nitsahatra nitotongana ny fari-piainan’ny mponina nandritra izay 58 taona niverenan’ny fahaleovan-tena izay hoy izy ireo. Notsahivin’izy ireo fa izy no nitarika ny hetsi-bahoaka tamin’ny taona 2009 nanonganana ny mpitondra tamin’izany ka hafahany nitondra ny tetezamita. Ankehitriny kosa indray dia ny fifidianan’ny vahoaka Malagasy no hametrahana azy hitondra ny firenena, hoy ny filohan’ny antoko Repoblikanina, Hasina…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *