politique

Antoko PSD : Mangataka ny fialàn’ny governemanta


Manahy ny hisian’ny fifandonana amin’ireo mpifanandrina ny « Parti Social Democrate de Madagascar » ( PSD). Noho izany, mangataka ny fialan’ny praiministra sy ny governemanta tantaniny izy ireo. Hatsangana kosa ny gouvernemanta firaisam-pirenena  hikarakara fifidianana malalaka sy mangarahara. Ny governemanta ankehitriny no tomponandraikitra amin’izao krizy izao satria andininy 87 amin’ny tolo-dalana momban’ny fifidianana no nolavin’ny fitsarana Avo momban’ny lalam-panorenana (HCC ). Mifanohitra amin’ny lalam-panorenana ireo andininy nolavin’ny HCC ireo. Mangataka ireo mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena ny PSD hanao latabatra boribory mba hanao fifanarahana politika hivoahana amin’izao krizy izao. Tokony hijanona amin’ny maha-panelanelana azy ny FFKM, ny CFM, ny vondrona iraisam-pirenena (ONU, UA, SADC  ). Mankasitraka ireo solombavambahoaka 73 ny antoko amin’ny fiarovana ny fanjakana tandalana sy nanohitra ny fikasan’ny governementa hanao kolikoly amin’izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *