politique

ANTOKO POLITIKA MAEVA: Hamadika ny tontolo tsy hita maso


Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018 i Mamy Raharimanana androany 28 febroary 2018. Hampandroso olona fa tsy vahoaka ity kandida natolotry ny antoko politika MAEVA na Madagasikara Endrika Vanona ity. Mifototra amin’ny fampivoarana ny olona tsirairay ny vinam-piarahamonina entiny raha tonga eo amin’ny fitondrana. “ Olona iray, fiharian-karena iray. Noho izany, tokony ny fiharian-karen’ny olona tsirairay no atao izay hampiroborobo azy”, hoy i Mamy Raharimanana. Nilaza ampahibemaso ihany koa ity kandida ity fa “Andriamanitra” no niantso azy ka nahatonga azy hirotsaka ho fidiana. “Hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara ny tenako”.

Hamadika ny tontolo tsy hita maso

Teknisiana amin’ny sehatry ny informatika i Mamy Raharimanana. Nampianatra ny momban’ny informatika sy miasa amin’ny resaka “développement d’application” izy. Nambarany fa “ informaticien” voalohany nitondra « développement d’application » momba ny tetibolan’ny fanjakana ny tenany. Amin’ny maha mpikirakira informatika an’i Mamy Raharimanana, entiny hampandrosoana ny firenena izany fahaizany izany. Noho izany, miompana amin’ny famadihana ny tontolo tsy hita maso ho hita maso ny vinam-piarahamoninany. “Atao nomerika avokoa ny tontolo tsy hita maso. Ohatra amin’izany ny mombamomba ny olona tsirairay manerana an’i Madagasikara. Afaka manapa-kevitra amin’ny fampandrosoana azy ny mpitondra fanjakana na dia any amin’ny toerana lavitra andriana aza”.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *