Socio-eco

ANTOKO POLITIKA ARORIAKA: Tsy nahazo alalana hamory vahoaka.


AUDIO : Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka

“Na tsy nahazo alalana hamory vahoaka eny amin’ny kianjan’ny demokrasia aza izahay dia tsy hihemotra haneho ny hevitray manoloana ny fibodoana tany ataon’ny orinasa Filatex satria raha mitohy izany dia ho lasan’ny vahiny avokoa ny tany rehetra eto Madagasikara”, hoy Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka. Nanam-pikasana hitaona olona eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy ho avy izao ny Antoko Politika Aroriaka. Tsy nanaiky ny fangatahan’ny antoko anefa ny teo anivon’ny prefektiora. Omaly no namalian’ity sampan-draharaha ity izany.
Hitohy ny hetsika ataon’izy ireo na tsy hanome alalana aza ity farany. “Ho avy ny fotoana hitakianay ireo tany manoloana ny vavahadin’ny Filatex”, hoy ity filohan’ny Aroriaka ity. Nambarany fa manana zo hitaky ny tsy rariny ny vahoaka ka tsy tokony ho sakatsakana. Noho izany, nomarihany fa tsy mandika lalana izy ireo raha manatanteraka izany na tsy nahazo fahazoan-dalana aza. “Ny vahoaka rahateo no mamaritra ny lalana, araka ny tokony ho izy”.
Lynda A.

VIDEO : Odon Grégoire Rakotonirina, Filohan’ny Aroriaka


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *