politique

ANTOKO MFM : Hery Rajaonarimampianina no tohanany


Nikaon-doha tao anatin’ny roa andro teny amin’ny La villa verte Ambatomirahavavy ny solontenan’ny antoko politika Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara (MFM) avy any amin’ny faritra 22 manoloana ny fifidianana filohampirenena amin’ny 7 novambra 2018. Rehefa avy nandinika ny vinan’ireo kandida 36 ny mpikatroka miisa 750 dia tapaka tamin’ny famaranana ny fivoriana ny sabotsy 6 oktobra 2018 fa ny kandida laharana faha-12 no hotohanan’ny antoko MFM. « Hery Rajaonarimampianina no hipetrahan’ny fitokisanay. Lany era tamin’ny fivoriana fa manan-kantenaina aminy ny antoko ka handray anjara amin’ny fampandaniana azy », hoy ny filoha nasionalin’ny MFM, Manandafy Rakotonirina.

Nanatrika ny famaranana ny fivoriana teny Ambatomirahavavy ny sekretera nasionalin’ny antoko HVM ka nasain’ny filoha nasionalin’ny MFM notaterina any amin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina fa mahatoky azy ny MFM ary manana zavatra takiana aminy rehefa mihaona. Amin’izao fampielezan-kevitra izao dia mbola hifampidinika ny mpikambana rehetra ao amin’ny MFM ny hampandaniana ny kandida laharana faha-12.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *