politique

ANTOKO AVANA : Kandida tokana tohanany i Andry Rajoelina


Tao anatin’ny efa-taona no nanomanana ny fifidianana ny antoko AVANA (Antoko ny Vahoaka Aloha No Andrianina). Nifanerasera tamin’i Andry Rajoelina ny antoko nandritra izay fotoana izay. Nambaran’ny filohan’ny AVANA, Dr Jean Louis Robinson nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny zoma 17 aogositra 2018 fa didy jadona ny fitondrana nentin’i Hery Rajaonarimampianina satria nanaovana antsojay avy tamin’ny fanjakana foibe ireo olom-boafidy tsy mitovy loko amin’ny HVM. « Ho an’ny kaominina Ampasikely ao amin’ny distrika Amparafaravola mbola tsy nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana », hoy ny ben’ny tanàna an’Ampasikely, Dr Jean Louis Robinson. « Tambiny ny fanohanana an’i Andry Rajoelina ny fampiadanana ny vahoaka ».

Kajy

Ao anatin’ny vondrona mandala ny firehan-kevitra repoblikanina ny ARMADA. Mpikambana amin’io vondrona io ireo kandida filohampirenena tamin’ny taona 2013 toy an’i Camille Vital (Antoko Hiaraka Isika), Hajo Andrianainarivelo ( Antoko MMM), Jean Louis Robinson ( Antoko AVANA). Noho izany, efa manao kajy sahady ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina fa « premier tour dia vita » ny fifidianana filohampirenena. Raha ny vato azon’ireo kandida tamin’ny fifidianana 2013, mpikambana ao amin’ny vondrona ARMADA sy ny vaton’i Andry Rajoelina no hatambatra dia ho azon’ity farany ny fandresena.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *