Sport

ANTANANARIVO SALAMA : 4000 ny mpandray anjara


Fahombiazana ny hazakazaka nokarakarain’ny fiangonana Advantista natao teny Imahamasina ny Alarobia 01 Aprily 2019. Nahatratra 4000 ireo nandray anjara nahitana ankizy, tanora ary teo ihany koa ireo mpihazakazaka matianina. Tonga nanokatra izany ny tale jeneran’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa. Maro noho izany ireo loka nozaraina tamin’ity hazakazaka ity. Nizara roa ireo halaviran-dalana nosafidian’ny mpandray anjara ka teo ny roa kilometra sy ny dimy kilometatra. « Fototry ny fahasalamana ny fanatanjahantena ka izay no nahatonga anay nikarakara izao hazakazaka izao. Ilaina ny vatana salama mba hisian’ny fanahy salama ary afahana mifehy ny fihetseham-po », hoy ny filohan’ny fiangonana Advantista manerana ny ranomasimbe indiana, Pasitera Herinirina Jesmin. Tanjona ny ahazoan’ny vahoaka fahasalamana satria rehefa salama izy ireo dia mandroso ny firenena. Fantatra ihany koa fa betsaka ireo teti-bolam-panjakana raha ny resaka fahasalamana ka tokony ho karakaraina ny vatana mba ho salama mandrakariva. Tsy mijanona amin’izao fanatanjahantena izao ihany ny hetsika karakarain’izy ireo fa mbola hisy  ny « expo santé» atao etsy amin’ny Parvis Analakely ny 13 sy 14 mai 2019 ho avy izao. Hisy ny fitiliana ireo aretina maimaim-poana, toy ny sida…Hentanina ny mponina rehetra hitsidika io hetsika io. Hiarahana amin’ny ministeran’ny fahasalamana ny  « expo santé».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *