Socio-eco

ANOR TANY AMIN’NY FARITRA SAVA SY DIANA: Tratra ny tanjona


Ny faritra Sava sy Diana indray no nosafidian’ny ANOR (Agence Nationale de la Filière Or) nanaovana fitetezam-paritra. Ao anatin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra amin’ny volamena sy ny fampahafantarana ny asa sy ny andraikitry ny “agence” izao dia izao. Ireo kaominina ahitana mpisehatra be indrindra momba ny volamena no nandehanan’ny ekipan’ny ANOR tamin’ny volana jolay 2019 lasa teo. Noho ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ity seha-pihariana ity, tonga maro ireo mpandraharaha nandritra ireo fivoriana nokarakarain’ny ANOR. Nampahafantarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny  sehatry ny volamena sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fanarahan-dalàna.

Ankoatra ny tafa niarahana tamin’ireo mpisehatra tao amin’ny distrikan’Ambilobe dia nozaraina karatra maha matihanina ireo mpitrandraka madinika tao amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy. Natolotra an’ireo ben’ny tanana tao amin’ny distrika ihany koa ny rejistra entina hanaraha-maso ny vokatra  sy ny asa ataon’ireo mpandraharaha. Sendra nifanojo tamin’ny fandalovan’ity rafitra ity ny fametrahana ny biraon’ny komity mpanatanteraky ny “dina Betsiaka”. Fotoana iray nahafahan’ireo mpikambana vaovao niditra tamin’ny sehatry ny ara-dalàna talohan’ny nanasoniavana ny “kahiem-patana” entina hamaritana ireo toeram-pitrandrahana ny iraka nataon’ny ANOR. Nohamafisina ihany koa ny fandoavan-ketra  mba ahafahana manara-maso ireo volamena voatrandraka.

Araka ny tatitra voaray dia nisongadina nandritra ny fandalovan’ny ANOR tany Diego ny fanentanana ireo mpanefy firavaka mba hivondrona ho mpanangom-bokatra. “Ny firosoana amin’io dingana io no lalana hanitarana ny asa momba ny volamena”, hoy ny tomponandraikitra. Nampanantena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fa hanohy ny ezaka  vitan’ny ANOR, raha ny vaovao voaray hatrany. Lohahevitra tsy afa-misaraka amin’ity seha-pihariana  ny fandriam-pahalemana ka nasaina nanatrika ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpisehatra ihany  koa ny eo anivon’ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany. Tsara ho fantatra fa nanatanteraka famelabelaran-kevitra nanasàna  ny mpianatry ny oniversite 1000 isa ny ANOR. “Paik’ady hampitam-baovao ho fampahafantarana ny fisian’ny “agence”, ny asany sy ny andraikiny sy hijerena ireo olana sy vahaolana momba ity sehatry ity fa indrindra niresahana ny asa mifandraika amin’ny volamena no zava-kendrena tamin’izany”. Raha fintinina dia tratra ny tanjona nandritra ny fidinana natao tany amin’ny faritra Sava sy Diana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *