Socio-eco

ANOR: Nifanaraka ireo mpandraharaha momba ny volamena


Taorian’ny faritra Vakinankaratra sy Menabe dia nidina tany amin’ny faritra Betsiboka indray ny ekipan’ny ANOR (Agence Nationale de la Filière Or). Nihaona amin’ireo mpiantsehatra amin’ny sehatr’asa momba volamena, ireo  vondrom-bahoaka itsanjaram-pahefana tao amin’ny kaominina Maevatanana I sy II, Beanana, Mahazomà, Berivotra 5/5, Andriba  ary Antsiafabosotra izy ireo tao anatin’ny andro maromaro. Ny fampidirana ireo mpandraharaha momba ny volamena ao anatin’ny ara-dalàna no tanjon’izao fitsidihana mitohy vakana izao, araka ny  fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny ANOR. Nandritra fivoriana niarahana tamin’ireo mpisehatra no nampatsahiavan’ny ANOR  ny lalàna mifehy ny volamena eto amintsika.  Teo ihany koa ny fitadiavana paikady iraisan’ny rehetra mba hidirana ao anatin’ny sehatra ara-dalàna.

Tsikaritra nandritra ny fidinana nataon’ny ANOR fa anisany mampihena ny vola miditra amin’ireo kaominina notsidihana ny fisian’ireo mpisehatra tsy manara-dalàna. Raha ny tokony ho dia mandoa « impôt synthétique » ny mpandraharaha momba ny volamena saingy noho izy ireo tsy ao anatin’ny ara-dalàna dia ny antsasany amin’izany ihany no hefain’izy ireo. Eo ihany koa ny tsy fampiasàna ny rejistra izay fomba tokana hitsirihana ny fivezivezen’ny volamena. Ankoatra izany dia mampitarazoka ny fampidirana ireo mpandraharaha amin’ny ara-dalàna ihany koa ny fifandaminana anatiny amin’ny samy mpandraharaha. Miteraka fifanjevoana amin’ireo mpitrandraka mandinika ny fisehoan’ny mpanome fahazoan-dalana eny amin’ny toeram-pitrandrahana. Noho ny fidinan’ny ANOR tany amin’ireo kaominina dia nifanaraka ireo mpiantsehatra nanaovana fihaonana fa samy hanara-maso sy hitsirika ny sehatra tandrify azy avy. Mitaky ny firaisan-kinan’ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny fampiharana ny paikady fitantanana amin’ny seha-pihariana momba ny volamena. Ilaina ihany koa ny fampahafantarana ny sazy miandry ireo tsy manara-dalàna.

 Lynda A.


One comment on “ANOR: Nifanaraka ireo mpandraharaha momba ny volamena

  1. Pingback: ANOR: Nifanaraka ireo mpandraharaha momba ny volamena - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *