Socio-eco

ANDRO FARAN’NY « LA GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR » : mihoatra ny 50% ny fihenam-bidy


Isika malagasy efa zatra ny miandry farany rehefa manao zavatra. Mifarana anio 22 Desambra 2019 ny « la Grande Braderie de Madagascar » ( GBM ) etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Mahazatra sy fantatry ny mpitsidika ny hetsika ny fihenam-bidy 15 % kanefa amin’izao andro farany izao dia hihoatra ny 50% izany. Afapo ihany ny Madavision, mpikarakara ny GBM raha izay efatra andro lasa izay kanefa kosa mahatsapa izy ireo fa kely ny kitapom-bolan’ny fianakaviana malagasy ankehitriny na dia efa manao fihenam-bidy 15% aza ireo mpivarotra. Marihana fa miisa 250 ireo trano heva amin’ity hetsika ity ary ahitana ireo karazan-entana rehetra indrindra ny fanomanana ny Krisimasy sy ny faran’ny taona. Efa natao mora ihany koa ny vidim-pidirana amin’ity andian’ny GBM manaraka ity satria dia 1000 ariary monja.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *