Socio-eco

ANDIANY H’AIKO: Mitovy ny tadin-dokanga


Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly 20 septambra 2018 teny amin’ny CCI Ivato ireo andiany H’aiko, mpianatry ny oniversite ISCAM. Mpanohana volamena an’ireto andiany faha-17 ireto ny orinasa Vision Madagascar (ViMa). Nisolo tena an’ny ViMa ny  Tale mpitantana ny World trade Center Antananarivo, izay anisany mpikarakara hetsika, Mercédès Ratsirahonana nandritra ny lanonana namoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany H’aiko.

Manavao ny fanohanana ny  mpianatry ny ISCAM ny orinasa ViMa isan-taona. Fotoana lehibe nampisehoan’ny orinasa ny  andraikiny amin’ny tanora Malagasy sy ny tanjona iraisan’ny ViMa sy ny ISCAM ity lanonana ity. Tarigetran’ny ISCAM ny fahitsiana, fanajana, “excellence”. Mifanojo amin’ny fanamby ny ViMa izany satria hanorina Madagasikara vaovao. Mbola nohamafisin’ny orinasa fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy ny orinasa tsy miankina. Izany indrindra no antony hanohanany  tsy tapaka ny ezaky ny tanora. Marihina fa orinasa miasa eo amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa,  ny fanodinana hazo izay mamorona asa ho an’ny Malagasy ny ViMa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *