Socio-eco

AMBATOVY MORAMANGA : Faritra avy nitrandrahana, manomboka sahady ny fanarenana ny ala


Averina toy ny teo aloha. Io no fanambin’ny orinasa Ambatovy mitrandraka ao Moramanga. Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana ity orinasa voalohany eto Madagasikara mampiasa vola be indrindra amin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta ity ka tafiditra ao anatin’ny bokin’andraikitra ny famerenana ny zava-boahary teo ambonin’ny toerana avy nitrandrahana. Nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny tontolo iainana ao Ambatovy Moramanga fa raha mbola misy azo atao dia sorohana ny fahasimban’ny ala ary efa misy ny fepetra mifanaraka amin’izany. Ohatra, ny familiana tamin’ny toerana tsy misy ala ny lalan’ny “pipeline”, mandefa ny tanimena, ahitana ny akora fototra dia ny nikela sy ny kobalta, mankany amin’ny orinasa mpanodina any Toamasina. Mirefy 220 kilometatra eo ny halavan’ity “pipeline” ity. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, rehefa azo ny tanimena dia afangaro rano (60 % rano ary tanimena 40 %). Ampidirina ao anaty milina izany ary esorina ao anatin’ny tanimena ny fasika sy vato mba hanamoràna ny fandefasana ny fotaka amin’ny alalan’ny “pipeline”.

Velaran-tany 1600 hektara no ho trandrahan’i Ambatovy ao anatin’ny 30 taona. Rehefa natao ny fitsirihana ireo ala (Etude Impact Environnemental) dia nahitàna karazana zava-maniry 1900 isa ao Ambatovy Moramanga. Ao anatin’izany ny hazo sarobidy, toy ny palissandre, eben… “Tsy ho tratra 100 % anefa ny famerenana azy ireo ka notsongaina izay tena laharam-pamehana. Ny 450 amin’ireo no averina ho volena”, hoy ny fanampim-panazavan’ny tomponandraikitry ny tontolo iainana. AMBATOVIA 4Nambaran’izy ireo hatrany fa ny taona 2017 no nanomboka ny fanarenana ny ala ka toerana avy notrandrahina mirefy 10 hektara no efa voavoly hazo. Zana-kazo 12.500 isa no novolena isaky ny tany iray hektara. Raha ny fanazavana dia 40 sentimetatra miala amin’ny tany masaka no hangalàna ny tanimena. Atoby amin’ny toerana iray io lohan-tany io satria hanotofana ny toerana avy nitrandrahana mba ahafahan’ireo zava-maniry mitombo ara-dalàna. Nalaina tsirairay kosa ny voan’ireo karazan-kazo ka tamin’alalan’izany no nampitsimohana ireo zana-kazo. Manana tanin-janan-kazo mirefy iray hektara eo ny Ambatovy. Miandry ny hamindràna azy ireo zana-kazo maniry ao Ampangadiatrandraka. Ao anatin’ny fanarenana ny zava-boahary ao Moramanga dia tany avy nangalàna ny akora misy ny nikela sy kobalta, mirefy 100 hektara no norakofana bozaka mandra-pahatongan’ny fambolena zana-kazo.

AMBATOVIA 2Ankoatra izany, nangonina tamin’ny toerana iray ireo “orchidée” tamin’ireo ala notapahana. Raha ny tarehimarika voaray dia “orchidée” 4000 isa no voaavotra ka ny 400 amin’ireo dia kazaran-java-maniry tandindomin-doza. Manana karazana “orchidée” 1000 isa isika eto Madagasikara, ny 283 amin’ireo hita ao Moramanga. Nomarihan’ny sampan-draharaha misahana ny fanarenana ny toeram-pitrandrahana fa 18 taona ny faharetan’ny fanarenana. Ho atolotra ny ministera misahana ny tontolo iainana izany aorian’izay raha ny vinavina. 42 taona kosa ny fanarenana ara-ekolojika.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *