Socio-eco

« Ambatovy Local Business Initiative » : Manampy ny orinasa madinika sy salantsalany


Niteraka famoronan’asa hafa ankoatra ny fitrandrahana  « Nickel sy Cobalt » ny orinasa ao Ambatovy. Tsy manao asa afa-tsy ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany roa ireo ny orinasa kanefa misy ny filàna isan-karazany ilainy amin’ny fanodinana ny orinasa . Izay no antony nananganan’izy ireo ny « Ambatovy Local Business Initiative » (ALBI) ny taona 2008 hijery sy hanampy ireo orinasa kely ary ny orinasa madinika sy salantsalany (PMME). 650 mahery ireo PMME ao anatin’ny sehatr’asa 40 no efa nanaovan’ny ALBI fiaraha-miasa hatramin’ny taona 2017 amin’ny famokarana sy famatsiana, toy ny fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana trano, fanjairana akanjo, sakafo isan-karazany, fanodinana ireo akora tsy ampiasaina intsony…

Andraikitry ny ALBI ny manome fiofanana ireo orinasa ireo mba hivoatra sy hanaram-penitra tahaka ny orinasa  Ambatovy ny fandraharaharana ataony. Arahiny maso noho izany ny fomba fitantanana, ny fahasalamana sy fiarovana eo am-panatanterahana ny asany ireo mpiasa, manaraka ny lalànan’ny asa ary ny ady amin’ny kolikoly. Ireo rehetra ireo, ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-misa eo amin’ny ALBI sy ny orinasa PMME ireo. Mbola 38% ny filan’ny orinasa Ambatovy anefa no vitan’ireo orinasa kely, madinika sy salantsalany ireo.  Efa 3,5 miliara dolara ny vola navoakan’ny orinasa mpitrandraka ny « Nickel sy Cobalt » ity amin’ny fividianana ireo vokatr’izy ireo nanomboka ny taona 2007 ary 240 millions de dollars kosa tamin’ny taona 2017 lasa iny. Miisa 3000 ireo tantsaha sady mpamatsy nahazo tombontsoa amin’ny fisian’ny orinasa Ambatovy ka 1470 taonina isan-taona ireo voankazo sy legioma isan-karazany novidiany.

Famokarana akora simika

AMBATOVY 2

Société de Peintures et de Produits Chimiques

Ilain’ny ao Ambatovy ny akora simika « soude caustique concentrée à 50% » ka nisy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpanamboatra loko sy akora simika « Société de Peintures et de Produits Chimiques » ( S2PC) ao Toamasina. 10 taonina ka hatramin’ny 20 taonina isan’andro no ilain’ny orinasa amin’izany kanefa mamokatra 20 taonina ka hatramin’ny 40 taonina isan’andro ny orinasa. Manodidina ny 1200 metatra tsy mivadimandry ny toeram-pitahirizana  ary afaka mandray 1600 taonina ny akora fototra. Ny Ambatovy no manafatra ny akora fototra ka ny S2PC no mamadika izany ho « soude caustique concentrée à 50% ». Ankoatra io famokarana akora simika io, manamboatra loko ihany koa ny orinasa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *