Socio-eco

AMBATOVY : Hamatsy rano amin’ny vohitra telo iasany


Fandraisana andraikitra sôsialy ataon’Ambatovy Manatontosa tetikasa iray hamatsiana rano fisotro madio ho an’ny vohitra telo ny orinasa Ambatovy, Ankazotokana, Behontsa ary Ampangadiantrandraka, eny amin’ny manodidina ny Toerampitrandrahany ao Moramanga Ambatovy. Tafiditra indrindra amin’ireo fandraisan’Ambatovy andraikitra eo amin’ny lafiny sôsialy amin’ny fametrahana ny fandrosoana lovainjafy any amin’ireo faritra iasany ity tetikasa ity. Ambatovy no miantoka manotolo ny lany amin’ity tetikasa ity izay misanda 2,8 tapitrisa ariary izay natao hanatsarana ny faripiainan’ny tokantrano 49. Manana olana eo amin’ny famatsiana rano fisotro madio ny mponina amin’ireo vohitra ireo satria tsy madio tsara ny rano ampiasainy andavanandro taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy sy ny ora-mikija tany an-toerana. Nanomboka nizara rano fisotro madio maimaimpoana ho azy ireo Ambatovy ny volana avrily 2022, ka indroa isan- kerinandro no misy fanaterana rano.

Nangon’i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *