Socio-eco

ALLO TAXIN’AKA: Tolotra manampy amin’ny fitadiavana taxi.


“Ny taxi no manatona anao any amin’ny toerana izay misy anao”. Sehatra iray ahafahana mitady taxi hanaovana course ny Allo Taxin’aka. Miantso ny laharana 034 88 611 45, 033 87 266 16, 032 24 696 49 fotsiny dia afaka maka ny mpanjifa any amin’ny toerana izay tadiaviny ny taxi. Amin’ny fotoana rehetra 24 amin’ny 24 ora, fito amin’ny fito andro, afaka mamaly ny fangatahan’ny mpanjifa ny allo taxin’aka. “Tolotra homenay ny mpanjifa ny fanaovana “livraison » entana na tsy misy mpanaraka aza. Eo ihany koa ny fanaterana na fitsenana mpianatra”, hoy i Koloina RAJAONARISOA, tomponandraikitra voalohany ny Allo Taxin’aka. Nohamafisiny fa azo antoka ireo taxi miara-miasa amin’ny orinasa satria hananany ny taratasy momba ireo taxi, mpikambana ao amin’ny Allo Taxin’aka.

Tsy misy arakaraka

Manamora ny fahazoana mpanjifa ny fidirana mpikambana ao amin’ny Allo Taxin’aka. Mampihena ny solika laniana amin’ny fitadiavana ny mpanjifa ihany koa. Nambaran’ny tomponandraikitra fa anarivony ny tolotra omena ny mpikambana isan’andro. Manana safidy malalaka ny mpitondra taxi satria afaka mandray “client” ivelany ny tolotra izy ireo.

Voaray amin’ny alalan’ny finday misy facebook ny course rehetra. Mba hisian’ny fiarahamiasa eo amin’ny taxi sy ny Allo taxin’aka, mila miditra ao amin’ny groupe facebook ny Allo taxin’aka raha te hiditra ho mpikambana na miantso ny finday voalaza etsy ambony na manatona mivantana ny adiresy LOT VP akaikin’ny 27 A Bis Ambohimiandra.

Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *