Socio-eco

«ALLIANCE FRANÇAISE »: Mankalaza ny taombaovao Malagasy


Sambany amin’ity taona ity no mankalaza ny taombaovao malagasy ny «Alliance Française»(AFT). Mikarakara hetsika ho fankalazana izany ny AFT izay atao etsy Andavamamba amin’ny Zoma 05 Aprily 2019. Tanjona ny ankalazan’ny malagasy rehetra izany ary indrindra ny hanandratana avo ny mozika sy kolon-tsaina malagasy, hoy ny lehiben’ny departemanta ara-kolontsaina ao amin’ny AFT, Andriantsoa Andriamihanta. Hisy noho izany ireo mozika nentim-paharazana mandritra ny « Tsitafandrimandry » izay hanomboka amin’ny 5 ora hariva amin’io andro io. Hanafana ny lanonana amin’izany i Ragasy Band amin’ny alalan’ny aponga isan-karazany, mozika nentim-paharazana amin’ny alalan’ny vako-drazana ataon’i Raozin’i Gasikara. Tsy mijanona amin’ny mozika fotsiny ihany anefa ny hetsika mandritra io alina andraisana ny taona vaovao io fa hisy ny fanandratana ny asa soratra malagasy iarahana amin’ny Faribolana sandratra anao tonon-kalo. Anasana ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka io « Tsitafandrimandry ». Tsy hisy vidim-pidirana fa misokatra ny varavaran’ny AFT mandritra izany hetsika izany. Ny Sabotsy 06 Aprily 2019 kosa dia hisy ny fanadiovana faobe manodidina ny AFT iarahan’izy ireo amin’ny fokontany Andavamamba. Marihana fa miasa amin’ny sehatry ny fampivoarana ny kolontsaina malagasy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *