politique

AKFM-FANAVAOZANA Hanomana mpitarika vonona hitondra


30 taona lasa, efa tany amin’ny taona 1989 nijoroan’ny antoko AKFM-FANAVAOZANA no nivoy ny « fisandratana » ny antoko araka ny teny filamatra hoe : « Ny fanandratana an’i Madagasikara ». Tsy mijanona teny filamatra fotsiny ihany anefa io fa tanjona kendrena mihitsy, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko, Ny Hasina Andriamanjato. Noho izany dia nametraka ireo sori-dàlana sy tanjona maro ho fanavotana ny firenena ny kongresin’ny antoko izay natao androany sabotsy 26 Janoary 2019 teto Antananarivo. Voalohany indrindra amin’izany ny fatahorana an’Andriamanitra Andriananahary amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Ny fahaleovan-tena ara-toe-karena mba tsy hindram-bola sy hiankin-doha amin’ireo vahiny intsony fa hampiasa ireo harena an-kibon’ny tany ho fampandrosoana ny firenena ka tsy izy ireo intsony no hibaiko ny tokony atao na tsia. Takina kosa anefa ny fanajana ny tontolo iainana amin’ireo fitrandrahana ny harena an-kibony tany ireo. Eo ihany koa,  ny fahaleovan-tena ara-politika izay marefo noho ny fanatontoloana.

Vonona ny antoko

Nandrasan’izy ireo ny fitsanganan’ny governemanta vao nanao ny kongresiny ny antoko AKFM-FANAVAOZANA satria tsy mitady toerana atolotra. Vonona kosa anefa ny antoko hiatrika ireo fifidianana ho avy rehetra. Tohanan’izy ireo ny hevitra sy ny asa rehetra izay mampandroso ny firenena. Hanome tanana sy tolo-kevitra ny mpitondra mba ho tonga any amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Noho izany dia miandrandra ny fanatanterahana ny vina sy ireo velirano nataon’ny Prezidà Andry Rajoelina ny antoko. Tapaka nandritra io kongresy io ihany koa, ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny risoriso eo amin’ny sehatra rehetra. Ankoatra ireo rehetra ireo, ny fanomanana mpitarika vonona hitondra amin’ny ambaratongam-panjakana isan-tsokajiny sy ny seha-piaraha-monina samihafa.

Marihana fa lany ho filohan’ny antoko AKFM-FANAVAOZANA i Ny Hasina Andriamanjato nandritra ny kongresin’ny antoko. Tsy adinon’izy ireo ny niarahaba ny Prezidàn’ny repoblika malagasy, Andry Rajoelina amin’ny nahalany azy sy nandraisany ny fahefana ara-demokratika.

Nirina R.


One comment on “AKFM-FANAVAOZANA Hanomana mpitarika vonona hitondra

  1. Pingback: AKFM-FANAVAOZANA Hanomana mpitarika vonona hitondra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *