Socio-eco

AKADEMIA MALAGASY : Sokajy haikanto sy hailaza / Sokajy haifiaina sy haifitondra


Ramatoa Randriamamonjy Esther, filohan’ny Sokajy Haikanto sy Hailaza, sy Andriamatoa Rajaoson François, filohan’ny Sokajy Haifiaina sy Haifitondra no nitantana ny fotoana fanehoana tetsy amy ny Akademia Malagasy vokatry ny asa karoka natao, ny Alakamisy 03 desambra 2020.

Niaka-tsehatra tamin’izany Andriamatoa isany Andriamihaja Solonavalona, Injeniora jeografy, sy Rasolofo Bernard, Injeniora indostrialy. Ny lahadinika misesy novelabelaran’izy mirahalahy dia:

  • Teny enti-mampianatra ho an’ny Fampianarana Ambaratonga I.
  • Toe-tsaina mifantoka amin’ny kalitao sy ny vokatsoany amin’ny haifiaina.

Sehatra maro no ahafantaran’ny besinimaro an’Andriamihaja Solonavalona raha tsy hitanisa afa-tsy ny fikirakirana ny fanisana avy ankavia miankavanana, ny raharaha politika, ny fiarahamonina (Jaky Mena). Maro tsy latsa-danja koa ny tontolo nahalalana an-dRasolofo Bernard izay zary nahazo anara-petaka hoe “Bernard Kalitao” na “Ramose Kalitao”: mpampianatra amy ny Ambaratonga Ambony, mpitarika fikambanana maro samihafa toy ny CAREA, na Compagnie des Arbitres Rapporteurs et Experts Agréés près les cours et tribunaux de Madagascar, Mpahay (Expert) amina Birao fanamarinana iraisam-pirenena, ny Fikambanan’ny Maintimolanin’ny Lycée Rabearivelo Antanimalalaka…

Ankoatra ny fomba fanisana avy ankavia miankavanana manasongadina ny lojika matematika, dia naneho zava-baovao nahavariana ny maro koa Andriamihaja Solonavalona teo amy teny enti-mampianatra ho an’ny Fampianarana Ambaratonga I. Ny fitsipiky ny API na “Alphabet Phonétique International” no nentiny nanamarinana ny fomba nampidirany tsipelina vaovao anaty alfabeta malagasy. Ny fanamarihana nentin’ny manampahaizana mpampianatra ambaratonga ambony iray tonga nanatrika teo moa dia ny fiverenana ifotony indray handaminana ny gramera malagasy araka izany firafitra vaovao izany raha toa ka izany tokoa no tokoa. Gramera malagasy izay efa samy mifandrirotra samy manindry ny azy ny mpikaroka maro samy hafa.

Tsotra kosa ny lesona azo notsoahana tamy ny lahatenin-dRasolofo Bernard. Ny kalitao dia toetra ahazoan’ny zavatra iray manome fahafahampo ny mpila na ny mpampiasa azy. (La qualité est l’aptitude d’un produit ou d’un service à satisfaire les besoins des utilisateurs). Araka izany dia tsy ny famirapiratana fotsiny ihany, na ny hakanto no tena famaritana ny kalitao, fa ny toetra mahavaly ny filan’ny mpila sy mpampiasa ka mahafa-po azy. Na dia efa tamy 1997 aza Rasolofo Bernard no naneho ny voambolana « kalitao », dia mbola nisy ampahana mpisehatra ihany nitsikera io vokabolary io. Ny mpanoratra kosa aza, dia ny mifanohatra amin’izany no mendrika hatao ka tokony hiroso amy fikarohana voambolalna enti-milaza ny « quantité » ho Kaontitao ohatra…

Na izany aza anefa dia nanambara ny Profesora Ranjeva Raymond filohan’ny Akademia Malagasy, fa nahaliana sy nahafantarana zavatra maro ny famelabelarana nataon’izy mirahalahy, ary manampy betsaka eo amy fampandrosoana sy fampivelarana ny fampianarana sy ny haifiaina.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *