Socio-eco

AGRIKOBA: Mahasolo ny lafarinina ny “katsak”


Ambany noho ny eny amin’ny mpivarotra mahazatra ny vidin’ny  koba katsaka vokarin’ny  Agrikoba mandritra ny “Grande Braderie de Madagascar”. Nanomboka ny 22 mey 2019 ary tsy hifarana raha tsy ny 26 mey 2019 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny hetsika ho an’ny fetin’ny reny. 2000 Ariary ny vidin’ny “katsak” antsasan-kilao raha toa 2500 Ariary eny amin’ny tsena rehefa andavanandro.   Be otrikaina noho ny vary sy ny mangahazo  ny katsaka. Ho an’ny koba katsaka vokarin’ny Agrikoba dia katsaka 100 % no nanamboarana azy, hoy ny tomponandraikitra ara-barotra, Razafimahatratra Anthony.

Vokatra vaovao eto Madagasikara ny “katsak” kanefa dia efa miparitaka manerana ny Nosy. Mahasolo ny lafarinina vita amin’ny akora hafa ity vokatra ity ary azo hanamboarana sakafo isan-karazany  toy ny mofomamy sy ny maro hafa. Raha ny fantatra dia mamokatra “katsak” 120 taonina isan’andro ity orinasa mivondrona ao amin’ny SMTP ity ary miara-miasa amin’ireo tantsaha mpamokatra katsaka eto Madagasikara.

Lynda A.


One comment on “AGRIKOBA: Mahasolo ny lafarinina ny “katsak”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *