Socio-eco

AFRIKA ATSIMO: Nizara traikefa tamin’ireo vehivavy malagasy solombavambahoaka


Volana aogositra, volan’ny vehivavy afrikana tatsimo. Ho fanamarihana izany dia nanasa an’i Baleka Mbete-Kgositsile, Filohan’ny Antenimierampirenen’ny afrikana tatsimo teo aloha ny masoivohon’ny Afrika Atsimo miasa eto Madagasikara. Nandalo teny amin’ny lapam-panjakana Tsimbazaza i Baleka Mbete-Kgositsile ny tapak’andro marainan’ny 21 aogositra 2019. Amin’ny maha  vehivavy voalohany nitàna ny andraikitry ny filohan’ny Antenimierampirenena sady efa filoha lefitry ny repoblikan’i Afrika Atsimo (mitovy amin’ny andraikitry ny praiministra eto Madagasikara), teo anelanelan’ny 25 septambra 2008 sy 9 mey 2009 azy dia nizara ny traikefa tamin’ireo  vehivavy malagasy solombavambahoaka ny tenany.

Baleka Mbete-Kgositsile - AN 1Nambarany tamin’izany fa nampahomby ny firenena afrikana tatsimo ny fanajàna ny tsy fitoviana na amin’ny lafiny hevitra io, na kolontsaina sy ny maro hafa. Nambarany fa zava-dehibe ny fanekena fa tsy mitovy ny olona tsirairay ary mila henoina avokoa izy ireny. Nampiharina teny anivon’ny Antenimierampirenena notantaniny izany (2004-2008) satria ny filohan’ny Repoblika tamin’izany mihitsy no namporisika fa olona avy amin’ny antoko politika tsy mitovy firehana amin’ny filoha no tokony ho filoha lefitry ny Antenimiera ary tanteraka izany. Araka ny fanazavany hatrany dia anisany nampivoatra ny fireneny ny  fampitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Lalan-tsaina nentina tamin’izany ary mbola mitohy ankehitriny ny fiheverana ny vehivavy rehefa hanapa-kevitra. “Tsy manankery ny fanapahan-kevitra raha tsy nisy fifampiresahana tamin’ny vehivavy”.

Nilaza i Baleka Mbete-Kgositsile fa “poizina ny politika” fa ny tena zava-dehibe dia fahaizana mikatsaka ny tombontsoan’ny daholobe. Noho izany, “manana andraikitra ianareo, zava-dehibe ny fahaizanareo manavaka ny tsara sy ny ratsy”, hoy ny hafatra nomeny tamin’ireo olom-boafidy. Amin’ny fomba ahoana no hampiharana izany rehetra izany eto amintsika?

Lynda A.


One comment on “AFRIKA ATSIMO: Nizara traikefa tamin’ireo vehivavy malagasy solombavambahoaka

  1. Pingback: AFRIKA ATSIMO: Nizara traikefa tamin’ireo vehivavy malagasy solombavambahoaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *