Socio-eco

ADY AMIN’NY LEFAKOZATRA: Hiatrika fanadinana i Madagasikara


Firenena tokana hanatitra ny antontan-taratasy ahazoana “certificat de pays libre de poliomyélite” i Madagasikara. Amin’ny volana jona 2018 izao no hoentina eo anatrehan’ny vaomieram-paritra misahana ny fanomezana ny “certificat” ho an’ny famongorana ny lefakozatra eto Afrika (CRCA) ireo antontan-taratasy manamarina fa fongotra ny lefakozatra eto amintsika. “Tsy midika fa ho tapitra hatreo ny ady amin’ny lefakozatra eto Madagasikara na dia mahazo an’io “certificat” io aza ny firenena Malagasy”, hoy ny Solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS), Ndiaye Charlotte. Nanamafy ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Joséa Ratsirarson fa tsy misakana ny fanaovana vaksiny fanefitry ny lefakozatra izany.

Tao anatin’ny roa taona, tsy nahitana trangana lefakozatra teto Madagasikara noho ireo hetsika fanamafisana fanaovam-baksiny miisa 12 nataon’ny Ministera. Ho fanohizana ny famongorana io aretina io, nanatanteraka atrika asa niaraka tamin’ny OMS sy ny mpiara miombona antoka ireo tomponandraikitry ny fahasalamana Malagasy ny 14 ka hatramin’ny androany 16 febroary 2018. Nizara ny traikefany tamin’ireo mpandray anjara ireo manam-pahaizana dimy momba ny ady atao amin’ny lefakozatra avy any ivelany.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *