Socio-eco

ADY AMIN’NY FIROSOAN-KO TANY EFITRA: Mampaharitra ny tany


Andro natokan’ny firenena mikambana iadiana amin’ny firosoan-ko tany efitra ny faha-17 ny volana jona. “Manana ny sandany ny tany koa mampiasà vola ao aminy”. Io no lohahevitra noraisin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny hay voary ary ny ala nanamarihana izany. Andro alahady ny faha-17 jona 2018 ka naroso ny fankalazana ho an’i Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny famelabelarana narahina ady hevitra sy fampirantiana ireo teknika hampaharitra ny tany no nanamarihan’ireo mpiantsehatra misahana ny fiarovana ny tontolo iainana ny andro manerantany iadiana amin’ny firosoan-ko tany efitra (lutte contre la désertification), ny zoma 15 jona 2018 tao amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy.
Noresahana nandritra ny hetsika ny anjara andraikitry ny sehatra tsy miankina amin’ny fiarovana ny tany tsy ho simba. Nodihinina tao ihany koa ny fomba fambolena miaro ny tany tsy ho simba ary ny resaka fananantany. Tanjon’ny hetsika ny hanairana ny Malagasy fa misy fiantraikany ratsy amin’ny tany ny fihetsika ataon’izy ireo toy ny fandoroana tanety, ny tavy , hoy ny tale kabinetran’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny hay voary ary ny ala, Dera Randriatsarafara. Misy ny fomba hafa azo atao mba hampamokatra ny tany na ny fomba fambolena maharitra toy ny “agroécologie”…
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *