Socio-eco

ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETRY NY ANDRO : Ny firenena toa an’i Madagasikara no antenain’ny firenena mandroso


Tsikaritra fa ny vahiny no tena mirodorodo mamatsy vola sy miasa eto Madagasikara momba ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Tetikasa maro no mahazo famatsiam- bola. Anisan’izany ny  tetikasa PAGE/GIZ izay vatsian’ny vondrona eraopeanina vola .

Zava-kendren’ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC ( tetikasa fanamafisana ny fahaizamanao  sy ny takiana amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fampandrosoana maharitra) ny fiarovana ny harena voanjanahary ao anatiny sy ivelan’ny faritra arovana, fampihenana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, fampiakarana ny fari-piainan’ny mponina. Mba hanatrarana ireo  tanjona ireo dia mizara dimy ny sahan’asa tanterahin’ny tetikasa amin’ny faritra efatra eto Madagasikara (Diana, Boeny, Atsimo Andrefana, Analamanga). Anisan’izany ny fiarovana sy fampiasana maharitra ny harena voanjanahary izay mikendry ny hampiakatra ny fidiram-bolan’ireo mpahazo tombontsoa; ny fampiroboroboana ny rojom-pihariana momba ny angovo azo havaozina; ny fandrafetana ny drafitra fanajariana ny tany eny anivon’ny kaominina sy ny faritra; ny fanavaozana ny politika sy paikady hiarovana ny tontolo iainana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fiovan’ny toetr’andro. Miara-miasa akaiky amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra ny sampandraharaham-panjakana, ny fiarahamonimpirenena, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tafiditra ao anatin’ny  fandaharan’asa fanohanana ny fitantanana ny tontolo iainana (PAGE) eto Madagasikara, iantsorohan’ny GIZ miaraka amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD) ity tetikasa ity. Ny Vondrona Eraopeanina sy ny fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny ministera federalin’ny fiarahamiasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) no namatsy vola ny tetikasa nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny  taona 2020.

Famokarana saribao

PAGE-GIZ - faritra boeny 2Iaraha mahalala fa ny antony hanampahana ny ala amin’ny ankapobeny dia ny fanaovana saribao. Nahazo tosika avy amin’ny PAGE/GIZ ny GAR (Groupements des Adhérants au Reboisement) ao Andranofasika, faritra Boeny. Fikambanana mpamokatra saribao avy amin’ny fambolen-kazo izy ity. Araka ny fanazavan’i Mahavatra Fabrice, mpanolontsaina ara-teknika ny fitantanana maharitra ny harena voanjanahary ao amin’ny PAGE/GIZ, faritra Boeny fa ny mpikambana ihany no mamboly ny hazo hahodina ho saribao. Nilaza ihany koa ny filohan’ny GAR, Andriamahatratra Falihery fa nanohana azy ireo ny PAGE nanomboka tany amin’ny fambolen-kazo, ny famokarana saribao ka hatrany amin’ny famarotana ny vokatra ary nanampy betsaka tamin’ny fidiram-bolan’ny mpikambana izany. Ankehitriny, tafakatra 80 ny isan’ny mpikambana raha toa ka 20 tamin’ny voalohany. « Ny taona 2009 no nanomboka ny fambolen-kazo ary 80 hektara no efa voavoly kininina. Ny taona 2016 kosa ny fitrandrahana ny ala voalohany », araka ny fanazavany hatrany. Ankoatra izany dia nandalo fiofanana momba  fanamboarana fatana saribao nohatsaraina ny GAR. « Raha oharina amin’ny famokarana saribao nentim-paharazana dia tsara ny vokatra taorian’ny fampiofanana satria raha 10 % isaky ny hazo iray no saribao azo dia  niakatra 20 % izany sady nihatsara ny vokatra”, hoy ny mpitarika ny  fikambanana. Misedra olana ireto mpamokatra saribao ao Andranofasika ireto amin’izao fotoana izao. Nambaran’i Andriamahatratra Falihery fa miitatra any amin’ny faritra hambolen’izy ireo hazo ny doro tanety ataon’ny hafa. Eo ihany koa ny fisian’ireo mpangalatra hazo amin’ny alina.

Valan-java-boary sy ny afo

PAGE-GIZ - faritra boeny 35% sisa ny ala arovana eto Madagasikara na 8,5 tapitrisa hektara. Loza ho an’ny valan-java-boahary ny afo ampiasaina amin’ny fangalana tantely any an’ala. Ho fisorohana izany indrindra ny tosika ho an’ny seha-pihariana tantely ao Ampombilava. Tohiny ny asa ataon’ny PAGE/GIZ ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny izy ity ka nomena fiofanana momba ny fiompiana tantely manomboka any amin’ny fisamborana ny renin-tantely, ny fanamboarana trano tantely, ny fivarotana ny vokatra ireo mpahazo tombontsoa miisa 150. Nambaran’ny filohan’ny kaoperativa Avotra, Rameva Kasy fa manampy amin’ny fidiram-bolan’izy ireo ny fiompiana tantely. Isaky ny roa ka hatramin’ny telovolana no miakatra ny vokatra. 15 litatra isaky ny tranon-tantely no azo ary 10.000 Ariary isaky ny litatra ny vidiny ambongadiny ary 15.000 Ariary ny antsinjarany.

Fandripahana ny ala honko

PAGE-GIZ - faritra boeny 4Niteraka voka-dratsy ho an’ny fiveloman’ny mponina ao amin’ny kaominina Baonamary, distrika Mahajanga II ny fikatonan’ny orinasa mpamokatra simenitra sy fiompiana trondro tamin’ny 2003. Ny famokarana saribao no hitan’izy ireo ahazoam-bola ka nirohitra nandripaka ny ala honko tao amin’ny kaominina izy ireo. Vokany, nitotongana ny vokatra drakaka sy trondro. Nambaran’ny filohan’ny vondron’olona ifotony (VOI) Fitaratra, Randriamanana Arthur mitantana ny toerana famindram-pitantanana ireo harena voanjanahary  azo havaozina ao amin’ny fokontany Amboanio fa zara raha mahazo  drakaka telo kilao isaky ny avy manjono. Amin’izao fotoana dia niakatra ho 100 kilao izany vokatry ny famerenana amin’ny laoniny ny honko izay potika teo aloha. “Tombontsoa be dia be no azonay amin’ny fambolena ny honko satria ao no manatody ny drakaka sy ny trondro ka nihatsara ny fari-piainanay, miaro ny sisin-dranomasina tsy ho kaohan’ny riaka”, hoy izy. Nanome fanazavana ihany koa ny teknisiana avy amin’ny PAGE Boeny, Mahavatra Fabrice fa 1350 hektara ny refin’ny ala honko ao amin’ny fokontany Amboanio izay ao anatin’ny faritra arovana Bombetoka.  Ny 1000 ha amin’io no harenina ka 400 ha ny fambolena vita nanomboka ny 2013 ka hatramin’ny 2019. Ny tohana avy amin’ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC. “Noyau dur” mbola tsy voakitika kosa ny 350 ha. Raha tarehimarika nomeny dia 50 kg isaky ny hektara ny vokatra drakaka azo.

Santionany amin’ireo asa vita hiatrehana amin’ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritry Boeny ireo. Mbola ezaka goavana no miandry ny fitondram-panjakana, ny mpiantsehatra rehetra fa indrindra ny olom-pirenena amin’ny  ady atao amin’ny fiovan’ny toetr’andro.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *