Socio-eco

ADY AMIN’NY COVID-19 : Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Ravinala Airports


Tafiditra amin’ny fandraisana andraikitry ny orinasa Ravinala Airports ny ady atao amin’ny coronavirus. Nisy ny fanomezana fitaovana ara-pahasalamana natolotra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 27 Aogositra 2020 teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Miisa valo amby telopolo  ny “concentrateurs” ary sivy ny “respirateurs” miaraka amin’ireo kojakojany, izay mitentina 80.904,63 € na 339.799.446 Ar ireo fitaovana ara-pahasalamana ireo. Ho zaraina amin’ny toeram-pitsaboana maromaro ireo fitaovana ireo. Isitraka ny  “respirateurs” miisa roa  sy “concentrateurs”  fito ambin’ny folo ny ao hopitalin’i Nosy. “Concentrateurs” miisa efatra ho an’ny tanàn’Antananarivo ary  “Respirateurs” fito sy “concentrateurs” fito ambin’ny folo ho an’ ireo toeram-pitsaboana hafa manerana an’i Madagasikara. Nanolotra izany tamin’ny solontenan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Patrick Collard. Nandray izany kosa ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny profesora Gaëtan Duval Solofomalala, sy ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny toetry ny andro, Rakotovahiny Jean-Luc.

Ankoatra izay, miomana amin’ny fisokafan’ny sisin-tany ny orinasa Ravinala Airports ankehitriny ary mametraka ireo fepetra rehetra mifanaraka amin’izany. Ho fanampin’ireo fepetra fisorohana toy ny fanaovana arotava, ny fanajana ny elanelana 1,5m, dia namatsy fitaovana hafa. Eo ny fitaovana fizahàna ny tsimokaretina  iray  ho an’ny seranam- piaramanidin’Antananarivo  izy,  izay  ahazoana  valiny  ao  anatin’ny  20  minitra,  « caméras thermiques », ary « plexiglass » izay efa an-dàlana ny fametrahana azy ireo eny amin’ny toerana rehetra hifaneraseran’ny mpiasa sy ny mpandeha ao amin’ny seranana vaovao.

Miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny toetry ny andro, sy ireo mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany sy anabakabaka ny orinasa Ravinala Airports ao amin’ny seranam-piaramanidin’ny Nosy Be amin’ny fanomanana tetika ara-pahasalamana toy ny fametrahana « caméra thermique » sy toerana fialofana handraisana ireo mpandeha hatao fizaham-pahasalamana. Izany lamina rehetra izany no ahafahana manokatra ny sidina iraisam-pirenena ny 01 oktobra ho avy izao ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.

Nirina R.


One comment on “ADY AMIN’NY COVID-19 : Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Ravinala Airports

  1. dolso

    Covid-19 oblige: Ravinala Airports doit faire cette publicité sinon rentrée d’argent non assurée pour l’opérateur toujours français, parait-il !

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *