Socio-eco

ADY AMIN’NY ARETINA COVID-19 : Tsy azo atao ny mivoaka ny trano


Mandeha haingana tahaka ny TGV ny fivoaran’ny aretina COVID-19. Niampy sivy indray ny mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus eto Madagasikara ary mpandeha fiaramanidina Air France AF 934 avy any Frantsa avokoa izy ireo  ny 17 Martsa sy 19 Martsa 2020. Nisy ny fepetra vaovao noraisin’ny fitondram-panjakana malagasy mba hifehezana ity aretina misy maneran-tany ity. Nanambara ny Prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry ny alin’ny 22 Martsa 2020 fa tsy  azo atao intsony ny mivoaka ny trano eto Antananarivo faritra Analamanga sy ny any Toamasina manomboka ny Alatsinainy 23 Martsa 2020 ka haharitra 15 andro izany . Tsy azo atao ihany koa ny mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina.   Tsy mbola misy matin’io aretina io hatramin’izao raha ny nambaran’ny Prezidàn’ny Repoblika hatrany. Tsy mahazo miasa ireo fitateram-bahoaka ( Taxibe), taxi, ary ireo fiara mitondra any amin’ny faritra. Afaka miasa kosa ireo mpitatitra entana. Tsy misokatra ireo biraom-panjakana afa tsy ny an’ny fahasalamana irery ihany. Hisokatra kosa ny fivarotana rehetra. Ho fitsinjovana ny vahoaka dia hisy ny tsena mora hisokatra ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro. Ankoatra izay dia hiasa kosa ny banky, jirama, ny haino vaky jery aman-tranokala. Apetraka amin’ny fandaminana anatiny ireo izay mpiasa tsy maintsy miasa eny amin’ireny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Manentana ny vahoaka hanaraka ny fepetra noraisina ny Prezidà.

Marihana fa hanao fanambarana isaky ny amin’ny 8 ora alina ny Prezidà manomboka izao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *