Faits-divers

ADIN’NY MPIFANKATIA : Mampitahotra amin’ny alalan’ny fahalalana mpitsara ravehivavy


Trangam-piarahamonina hita eto Madagasikara, eto Antananarivo raha ny marimarina kokoa no taterina aminao androany. Rangahy iray mitonona ho mpitsara no nandrahona tovolahy iray tetsy Mahamasina omaly 19 oktobra 2019. “Tonga teto Mahamasina izy nampatahotra ahy izay tsy naninona tsy naninona akory. Rehefa nanontaniako izy hoe inona no tena idiranao amin’ny adinay sy ilay olona miaraka amiko dia namaly izy hoe izay teneniko tanterahina fa raha tsy izany dia polisy no maka anao eo”, hoy ny fanazavan’ity vao erotrerony ity. Nisafidy ny tsy hanonona ny tena anaran’ilay tovolahy izahay ka Tovo no nasolonay ny anarany. Nambaran’i Tovo fa tsy nampiseho akory ny karatra maha mpitsara azy io rangahy nanatona azy io fa raha ny fitadidiany dia efa hitany niaraka tamin’ny olontiany ary nampahafantaran’io olon-tiany io fa mpitsara ilay rangahy. Araka ny fanazavan’i Tovo hatrany dia tsy nampiseho taratasy ahafahany miampanga azy akory io mitonona ho mpitsara io. “Tsy fantatra akory hoe inona ny heloko, fa hoe rehefa mpitsara izy dia tsy maintsy arahina izay tiany atao. Tsy mbola misy fitoriana voaraiko, tsy  mbola nahazo convocation aho ary amiko tsy anjaran’ny mpitsara no misambotra olona fa misy sampandraharaha misahana izany”, hoy izy. Raha ny vaovao farany dia nanaraka avy aorianan’ny fiaran’i Tovo, rehefa niala teo Mahamasina, ny fiara nitondra ilay “mpitsara”.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *