Socio-eco

ADIHEVITRA ARA-TOEKARENA: Fanantenana ho an’ny orinasa malagasy


 Mahatsapa ireo orinasa any amin’ny faritra fa  lasa ankilabao sy voahilikilika. Tsikaritra ihany koa fa  toa tsy misy vokany akory ny fifanankalozan-kevitra niarahan’ny  sehatra miankina sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.  Izany indrindra no hikarakaran’ny Vondrona Eraopenina dinika an-databatra boribory momba ny toekarena eto Madagasikara isaky ny herinandron’ny Eraopa. Fanao isan-taona izy ity ho fanatsarana hatrany ny sehatry fandraharahana  sy ny fifaninanana ara-barotra ary ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ny firenena Malagasy sy ny Vondrona Eraopeanina. Notanterahina ny 6 mey 2019, teny amin’ny Carlton Anosy ny andiany faha-dimy amin’ny adihevitra ara-toekarena Madagasikara-Vondrona Eraopenina. Tomponandraiki-panjakana, tompona orinasa, mpiara-miombona antoka ara-bola  sy ara-teknika an-jatony no nandray anjara tamin’ny adihevitra.

Nanohana  ny adivehitra hatramin’izay ny tetikasa PROCOM, vatsian’ny vondrona eraopeanina. Lohahevitra noresahana tamin’ity taona ity ny “fanantenana vaovao ho an’ny orinasa malagasy”. Nambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eraopeanina, Di Girolamo Giovani  fa fotoana hihainoana ny hetahetan’ireo sehatra tsy miankina, hanamorana ny fifanankalozan-kevitra  eo aminy sy ny tomponandraiki-panjakana ity hetsika ity. Fotoana hampahafantarin’ny fitondram-panjakana ny politikan’ny governemanta momba ny toe-karena sy ny ara-barotra ary hanavaozana izany ihany koa ny adihevitra. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny indostria, varotra sy ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa fa noresahana nandritra ny adi-hevitra ny fomba tsara indrindra ahafahana  manampy ireo orinasa any amin’ny faritra ho fampandrosoana handraisan’ny rehetra anjara eto Madagasikara. Nodinihina ihany koa ny fomba hanatsarana ny fifaneraseran’ny sehatra miankina sy tsy miankina. Nanamafy ny ambasaodaorin’ny Vondrona Eraopeanina fa ho havadika ho asa ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny dinika an-databatra boribory. Ao anatin’ny fanatanterahana ny vina ho Madagasikara misandratra avokoa izany rehetra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *