Socio-eco

Adiafo: Fanampiana ara-bola


Velaran-tany 196 ha no voavoly hazo tao anatin’ny telo taona niasan’ny tetikasa Adiafo tao amin’ny amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Efa-taona ny faharetan’ny tetikasa Adiafo na Ala Diovina sy Ajariana ho Fandrehitra ho an’ny Olona. “Tetikasa fambolen-kazo ho atao fandrehitra, atao kitay na atao saribao hamatsiana ny mponina Antananarivo ny Adiafo. Ny distrikan’Ankazobe sy Ambohidratrimo no iasany. Ny Vondrona eraopeanina no mpamatsy vola”, hoy ny tomponandraikitra mpanara-maso ny Adiafo, Lalaina Randrianandrasana.
Ireo hazo novolena ihany no havadika ho lasa fidiram-bolan’ny mponina. “Fanampiana ara-bola ny mponina Antsahafilo sy famatsiana ny mponina ao Antananarivo renivohitra arina fandrehitra sy kitay no tanjon’ity tetikasa ity”.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *