Socio-eco

ACM: Omena alalana hisidina ireo angidim-by rehefa mahafeno fepetra


Na tonga eto Madagasikara aza ireo angidim-by nafarana avy any Afrika Atsimo hampiasaina amin’ny propagandy dia tsy mbola afaka misidina raha toa ka tsy mbola manome alalana ny eo anivon’ny “Aviation Civile de Madagascar” (ACM). Tsy mifanaraka amin’ny fitsipika mifehy ny fanomezana alalana hisidina ny taratasy fandidiana hanatanteraka baiko (réquisition) avy any amin’ny primatiora  tamin’ny 5 oktobra 2018, araka ny fanazavan’ny  “Aviation Civile de Madagascar”  (ACM) nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety ny 8 oktobra 2018.

 Ho fiarovana ny ain’ny mpampiasa ny angidim-by sy ny hafa dia mitaky fepetra efatra amin’ny  kaompania an’habakabaka “Sky service”  izay nangataka fahazoan-dalana  mampiasa  ireo angidim-by valo nafarana. Tsy mbola nahafeno ireo fepetra ireo ny “Sky service” satria tsy mbola nanova ny taratasy fangatahana io kaomapania io.  Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny kalitao avy ao amin’ny ACM, Ranaivoson Jean Charles fa « exploitation privée » no voalaza ao anatin’ny fangatahana nataon’ny “Sky service”. Raha nahazo vaovao avy tamin’ny  manampahefa avy any Afrika Atsimo anefa ny ACM dia « exploitation commerciale » no ampiasaina ireo angidim-by ireo.  Noho izany, samihafa ny dingana arahina.

Ankoatra izany, ny taratasy fangatahana an’ireo angidim-by  sasany dia natao tamin’ny tapaky ny volana aogositra 2018, ny sasany tamin’ny faran’ny volana aogositra 2018, ny sasany tamin’ny faran’ny volana septambra 2018. Voafaritry ny fitsipika mifehy ny fanomezana alalana hisidina anefa  fa roa volana ny fandalinana ny antotan-taratasy fangatahana. Aorian’izay vao afaka manome alalana ny ACM.

Fepetra notakian’ny ACM amin’ny “Sky service” ihany koa  ny  fanomezana  ny taratasy  manazava ny andraikitry ny tompon’ny angidim-by sy ny kaompania an’habakabaka, ny fanomezana ny  taratasy manamarina ny fifanarahan’ny roa tonta misy sonia mazava tsara ary ny fanomezana ny  antontan-taratasy mirakitra ny fepetra ho raisina  amin’ny mety ho fahavoazana. Nanao sonia  ny taratasy fahazoana mampiditra ny angidim-by ny  tale jeneralin’ny ACM, James Andrianalisoa fa afaka miditra eto ireo angidim-by saingy nanamafy izy fa tsy mbola nahazo fahazoan-dalana hisidina raha tsy mahafeno ny fepetra takiana. Raha vao tsy manaraka ny dingana arahina amin’ny fanomezana alalana hisidina ny ACM dia ho voasazin’ ny iraisam-pirenena.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *