Evenement

Korotam-bolo andiany faharoa : Ny volo no endriky ny olona


Hotontosaina ny sabotsy 14 desambra 2019 ho avy izao  ao amin’ny le Pave Antaninarenina ny andiany faharoa amin’ny hetsika korotam-bolo. Hetsika izay ahitana ireo mpian-tsehatra rehetra momba ny volo sy ireo fitaovana  ilaina amin’ny fikarakarana ny volo.

Mbola tsy mahazo toerana loatra ny hetsika eo amin’ny tontolon’ny volo raha ho antsika eto Madagasikara, izay no isany nanosika ny mpikarakara hanao ity hetsika ity. Ankoatra ny fivarotana ireo akora samihafa ho an’ny karazam-bolo dia hisy ihany koa ny toro-hevitra ho an’ny tsirairay arakaraky ny karazam-bolony.

Raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany, ny hetsika korotam-bolo dia fotoana iray ampitangoronana ny olona manana karazam-bolo samihafa. Ny fahasatapan’ny mpikarakara ny olana momba ny volo no nahatonga azy ireo  hanao ity hetsika ity. Ny volo no tena mampiseho ny endriky ny olona, ary tsy azo atao ambanin-javatra ny fikojana izany, hoy ireo tena velon-tena amin’ity « art » ity.

Fampiratiana maro momba ny volo no ho hita ao Antaninarenina mandritra io fotoana io. Afaka mijery ny mombamomba ny volony sy ny fikarakara azy ihany koa ny tsirairay. Tanjon’izao hetsika izao ny fanomezana sehetra ireo tanora vao misondrondra amin’ny tontolon’ny volo.

Miora Razafindramanitra

Maro ireo tanora liana amin'ity hetsika korotam-bolo ity

Maro ireo tanora liana amin’ity hetsika korotam-bolo ity


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *