Evenement

Tsingerintaona faha 59 nahaleovantena : Fomba tsotra ny an’ny S-FPMA


Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana” I Kor. 14, 26. Io no Teny faneva nentin’ny Fikambanana Sakaizan’ny Fiangonana Protestantra Malagasy Andafy, na S-FPMA, nankalaza ny faha 59 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, sy nitondrana am-bavaka ny firenena malagasy tamy fomba tsotra, nefa nanana ny lanjany teo anatrehan’ny tantaram-pirenena.

Ny sabotsy 22 jona 2019 no nifamotoana tetsy amy Foibe Frenjy etsy Faravohitra ny S-FPMA sy ny mpankasitraka tonga marobe, nanomboka tamy 2 ora sy sasany tolakandro. Ny Pastora Rasolofonomenjanahary Martin, Talen’ny Kianjamaitso FFPM Antsahamanitra no nitarika ny fotoana litorjika sy nitory ny Tenin’Andriamanitra araka ny Filazantsaran’i Jaona 14, 27 “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo”.  Manome fiadanana in-277 Jesosy ao anaty Baiboly. Shalom moa no dikanteny hebreo. Manana hevitra marobe tsy latsaky ny 40 anefa izy io saingy azo fintinina amy ny hoe: “Fihavanana”, “Fampihavanana” (Rom. 5, 1; Efes. 2, 13), ary koa “Fandriampahalemana” “Filaminana” “Fahatoniana” (I Kor. 14, 33). “Fahombiazana”, “Fitahiana”, “Fahasalamana” … (Sal. 122, 7)

Antoko mpihira telo manana ny lazany no nifarimbona nanafana ny fotoana: Ny Feon’ny Frenjy, ny SETA Tafaray FFKM ary ny God’s Messengers Mass Choir (GMMC). Nandritra ny tapany faharoa taorian’io fotoam-bavaka nangataham-pitahiana ho an’i Madagasikara io, dia niroso tamy famelabelarana notontosain’Andriamatoa Rasolomanana Nehémie Mpitandrina misotro ronono ny lohahevitra hoe: “Ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Alahamadibe jerena amy fotopisainana protestanta”. Narahana fifanakalozan-kevitra azon’ny rehetra andraisana anjara izany. Sahiran-tsaina ny Kristiana manoloana ny fomba amam-panao amy ny Alahamadibe indrindra ireo mandala ny etika kristiana azy.

Manompy sampy ve?

Nisongadina tamin’izany ny ohatra noraisin’i Ramatoa Profesora Ramakavelo Geneviève: “Fahotana ary ve ny mitondra arendrina akatoky ny Alahamadibe na koa 26 jona izay endrika hanehoana fety indrindra ho an’ny ankizy madinika. Ambaran’ny fotopisainana Alahamadibe mantsy fa fomba fandroahana devoly sy fanahy ratsy ary lolo ny mitondra afo mandehandeha manerana ny tanàna alohan’ny fety?”. Maro no niombon-kevitra tamy Madame Ramakavelo tamy zany fanontaniany izany. Tonga nanatrika teo Andriamatoa Ratefy Tolotra Mpitandrina mitondra ny fiangonana Tranovato Anatirova, mpadalina sy mpikaroka ny petra-kevitra “Jiosy ve ny Malagasy?”.

Na ny toriteny na ny famelabelarana dia samy tandrify avokoa amy ny habaka sy vaninandro diavin’ny firenena malagasy ankehitriny. Ankoatr’izay dia manamafy sy manizingizina Atoa Rasolondrainibe Jean Veloson, Raiamandrenibe S-FPMA sady Filoham-boninahitry ny FLM Ambatovinaky fa tsy marim-pototra sady tsy mitombina velively ny feo miely fa mikasa hanorina sampan’ny FPMA aty an-tanindrazana ny FPMA any Frantsa.

Razaka Oliva

         1               2


One comment on “Tsingerintaona faha 59 nahaleovantena : Fomba tsotra ny an’ny S-FPMA

  1. Pingback: Tsingerintaona faha 59 nahaleovantena : Fomba tsotra ny an’ny S-FPMA - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *